airtel

Edito

05-nov-2021

Edito

Miroso anaty olana

Sample post image

Nitsoaka ny rivotra sosialista nanomboka tany amin’ny repoblika voalohany saingy noho ny faharavana maro nisy teto amin’ny firenena taorian’ny fanjanahantany moa dia tsy nahatafavoaka antsika tao anaty fahasahiranana izany.

05-nov-2021

 Faharavana teo amin’ny lafiny kolontsaina, toetsaina, eny, maha izy azy izany Madagasikara izany mihitsy teo no mbola tsy tafarina ary isan’ny mbola vavolombelon’ny tantara tamin’ny fotoan’androny ny fireharehan’ireo mahay, na dia voambolana vitsy, teny frantsay aza hoe “mahay teny vazaha”. Nitsoaka indray moa taorian’izany ny rivotra kaominista nentin’ny sinoa sy ny sovietika ary dia niezaka nanara-drenirano izany koa isika. Notsarovana omaly iny ny daty nahaterahan’ny tompon’ny paradisa sosialista satria mbola niara-dalana tamin’ireo firehana voalaza teo ireo hatrany ny sosialisma nezahana ho tamin’ny endrik’izany Didier Ratsiraka na “Deba” izany teo anelanelan’ny taona 1975-1991. Saika noezahana narahana teto daholo ny rivotra politika rehetra nitsoaka arakaraky ny vanim-potoana teto amin’ity izao tontolo izao ity saingy raha nanasokajiana ny firenena tsirairay avy ny hoe firenena mahantra, ny an-dalam-pandrosoana, ny firenena mandroso ary ireo firenena matanjaka dia tsy nety tafavoaka tao anatin’izany atao hoe firenena mahantra izany mihitsy isika. Tsy naharesy lahatra ny filazana hoe firenena an-dalam-pandrosoana fa dia nisy nanao vazivazy zaritenany hoe an-dalam-pihemorana aza. Inona tokoa anefa no zava-misy ankehitriny? Mitsoaka indray izao ny rivotry ny fanenjehana ny ho lasa firenena misandratra na hoe “pays émergeant”. Te hitondra izany fisandratana na hoe “émergence” izany mafy ny fitondrana ankehitriny saingy raha ny firosoana amin’izay fisandratana izay no novoiziny hatramin’ny nametrahany teo amin’ny fitondrana ny kandidany Hery Rajaonarimampianina hatramin’ny taona 2015 dia miroso anaty olana fa tsy izay vahaolana na hoe fisandratana izay akory isika izao. Miitatra ny olan’ny orinasam-panjakana satria tsy vitan’ny hoe miha mikatso hatrany ny raharaham-panjakana fa mbola tsy voakarakara araka ny tokony ho izy koa ireo mpiasam-panjakana mba tsy hilazana hoe miha mijaly. Manana safidy anefa moa ny mpitondra na hanokatra ny masony sy ny sofiny hihaino sy hijery ireo fanehoan-kevitra ivelan’ny fitondrany na hiziriziry amin’ny vahaolana diso sy miroso anaty olana hatrany!

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap