airtel

Edito

01-juin-2026

Misafotofoto ihany !

Nazava ny tenin’ny

Sample post image

Filoham-panjakana mikasika toe-javatra

01-juin-2026

maro eto amin’ny Firenena, toy ny fanehoana fa fifidianana milamina sy eken’ny rehetra no tanjona, tsy misy olona na mpandraharaha mibaiko azy amin’ny fanapahan-kevitra raisina, tsy mamatotra ny firenena amina zavatra mampidi-kizo, miezaka mamaha ny olam-bahoaka na aorian’ny fikaonandoham-pirenena aza vao tena ho hita ny sori-dalana hitondrana ny Firenena, tsy misy kajikajy politika, tsy misy valifaty politika fa ady amin’ny kolikoly sy tsy maty manota,…. Ny toky anefa fitaka, hoy ny Malagasy, fa ny atao no hita, ka irariana tsy hivaona amin’izay nambarany tokoa ny filoham-panjakana. Na izany aza, betsaka ihany ireo toa endrika safotofoto politika raha tarafina amin’ny zava-misy sy toe-javatra mifamahofaho tato ho ato.Mafana io ny raharaha mikasika ny andrim-panjakana isan’ny stratejika eto amin’ny Firenena dia ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC izay misy mpikambana voalaza fa nangatahana fahafahana manao fanenjehana ara-pitsarana. Asa inona marina no tena mitranga ? Hafahafa ihany koa ny sary etsy amin’ny Antenimierampirenena izay toa manomboka mahazo laka sy sehatra ireo olon’ny volomboasary, raha ilay endriky ny vaomiera vao natsangana farany teo. Ekena ny resaka traikefa sy fahaiza-manao, ekena ny firesahana fa lapan’ny demokrasia ny ao Tsimbazaza, saingy tsy mamafa ny adihevitra samihafa satria isan’ny nijoroan’ny vahoaka ny fanesorana ny volomboasary. Asa inona ny fifanarahana politika mandeha satria na ny endrika fiarovana mivantana na ankolaka ireo depiote sasany manana dosie maloto aza toa hafahafa ihany ? Somary valalanina ihany ny vahoaka sy ny mpanara-baovao eo anatrehan’ny kisarisary politika mandeha ka raha baolina kitra dia mety mbola misy mametra-panontaniana hoe : mamono mankaiza marina izy ity ? Tsy finiavana hisintona lakolosy hiteraka resabe fa somary mahavalalanina ny besinimaro ny toe-draharaha miseho ankehitriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ahazoana firenena matanjaka»

Card image cap
04-juin-2026

fikaonandoham-pirenena. Mazava ho azy,

Card image cap