airtel

Edito

26-mars-2021

Edito

Misavorovoro sy savorovoroina

Sample post image

Miverina misavorovoro indray ankehitriny ny sain’ny vahoaka Malagasy manoloana

26-mars-2021

 

 

 ity trangam-pahafatesana olobe teo amin’ny tantaram-pirenena nialoha lalana izay malaza ho lavon’ilay valanaretina amin’ny endriny samihafa ity. Savorovoroin’ireo vaovao tsy mitombona sasany mitovitovy amin’izany ihany izay misy maika ny hanaparitaka amin’ireo tambazotra mora mielim-pantrana eto amin’ny firenena koa anefa. Tsy mbola maka lesona amin’ny lasa ny fitondram-panjakana ary tsy vitsy ireo nahatsapa fa na dia ny fiverenan’ny filoham-pirenena nanome fotoana ny mpiray tanindrazana teo anoloan’ny fahitalavim-pirenena ny sabotsy teo, toy izay efa fanaony isaky ny amin’ny 8 ora alina tamin’ny taon-dasa indray aza dia efa ampy nampiverina indray ny rarintsaina sy horohorontsaina mihitsy teo amin’ny sasany amin’ireo mpanara-baovao, indrindra moa fa ireo aorian’izay mbola maheno honohono sy tsaho. Teraka ho azy indray ny tahotra mety isany ampy hampihena ny hery fiarovan’ny maro. Mampahatsiahy ao anaty fonon-teny ny nambaran’ilay solombavambahoaka omaly iray izay hoe tsy ny fisian’ny mpijery marobe ho avela hiditra ao Barikadimy amin’ny talata akory no hampandresy ny Barea fa mety vao miha ho resy aza izy raha izany no atao eo satria hahatsiaro hisy tsindry na tahotra dia tsy tena hifantoka amin’ny lalao ataony. Rehefa milaza koa ny fitondram-panjakana fa tsy azo atao ny mamory olona mihoatra ny 200 isa dia mba matotra amin’ny teny atao fa tsy hoe rehefa Barea dia atao 1500 isa indray. Tsetsatsetsa tsy aritra izay fa entina ilazana ihany koa hoe zava-doza ho an’ny fiarahamonina io tahotra sy fampitahorana na atao mivantana na an-kolaka. Tsy sarotra ny manentana amin’ny fomba tsotra ny olom-pirenena hoe miarova tena, hajao ny fepetra ara-pahasalamana, miezaha manampy hery fiarovana amin’ny alalan’ny faherezana mihinana voankazo sy legioma ary ny fanaovana raokandro isan-karazany toy ny evoka sy ny sisa.

 J. Mirija

Dans la même rubrique

07-mai-2024

filoham-pirenena toa tsy mahatombon-tsiraka fa mahita dia ho aleha ity foana.

Card image cap