fitsidihan’ny Filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron eto Madagasikara sy ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Samy manana ny andraisany azy ny rehetra fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : mitondra inona marina ho an’i Madagasikara ? Marina fa ny tantara tsy azo hovaina, ary tsy tokony ho sakana amin’ny fikatsahana ny soa iombonana, kanefa mbola mitoetra ihany koa ny ratra sy ny ferin’ny fanjanahan-tany sy ny mety fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao ankehitriny. Tsy vahaolana ihany koa anefa ny mety ho fankahalana Firenena iray na mpitondra izany firenena izany na ny vahoaka ao aminy. Anjaran’ny Malagasy no mifoha sy mandinika hoe : nahoana isika no mbola tahaka izao na dia ananantsika aza ny herijika samihafa toy ny harena ahafahantsika miarina sy mandroso ? Nahoana ny mbola manjaka eto ny politikam-panjanahana ary ny saribakolin’ny mpanjanaka hatrany no mifehy ny tany sy ny Fanjakana, ny toekerana,… ? Tsy afaka ny hiolonolona eto isika, saingy mila mifoha ihany koa mba tsy hataon’ny hafa tohatra fiakarana, tsy hataon’ny hafa fakana akora fototra, tsy ho domina tapany handoa erany lava,… Mila miainga amintsika samy isika izany hoe : vonona tokoa ve ny Malagasy hanova tantara, hamadika pejy, hiara-hifoha fa tsy mety sy tsy azo ekena intsony izao ? Afaka manaiky ve isika fa isika samy isika aloha no mila mibebaka sy mibaboka fa avy amintsika no maha potika ny Firenena tahaka izao ? Mihamafy ny tsio-drivotra ara-toekarena mahery vaika eran-tany, mangotraka ny fitiavan-tena sy fikatsahana mpitondra indrindra any amin’ny Firenen-dehibe ny tombotsoany,… ka mbola hanantena sy hitavandra an’ireny ve isika sa mba misy eritreritra hambotra lamina sy lasitra mety amintsika ? Mbola hanantena tapi-maso sy takalom-patsa vidim-pihinanana amin’ny hafa ka ny trosa na fanohanana manandevo atako tanindrazana sy harena no ho politikam-pitantanana ? Mila manova !
Toky R
Mahafehy ny zava-drehetra mikasika ny fitantanana Firenena ankehitriny io,
fitondràna izao hahatongavana marina ho an’ity Madagasikara ity isika mianakavy!