airtel

Edito

25-avril-2024

Misora-tena ho andriamanjaka?

Mitohy ny fandrehetana afo ara-politika manampy trotraka ny krizy amin’ny endriny maro.

Sample post image

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

25-avril-2024

ka dia iny tonga hatrany amin’ny fisamborana sy fanagadrana kandida ho depiote iny indray. Tsy fiandaniana ary tsy fiarovana ny olona enjehina, fa mba mametra-panontaniana ihany hoe : fifandrifian-javatra ve ny hanaovana an’ireny aty anaty vanim-potoanan’ny fifidianana sa dia tena fandrehetana afo ara-politika sy don-tandroka ho an’ny mpifaninana ? Raha tahaka io fahaizana mihetraketraka sy mamboly fankahalana io tokoa moa ny fahaiaza-manao sy hafainganam-pandeha any anaty famahana ny krizy mangeja sy fahantrana mamatotra ny Malagasy maninona, fa ny zava-misy dia mena ny tondro rehetra amin’ny ankampobeny. Haharihary tahaka ny tafika andrefan-tanana fa misy ny ambonin’ny lalàna ary misy ny ambanin’ny lalàna rehefa tarafina amin’io hetraketraka ara-politika miendrika famotehana sy setrasetra ataon’ny mpitondra io. Miha manalavitra hatrany ny Fanjakana tan-dalàna sy mitovy eo anatrehan’izany, fa toa misy ny andriamanjaka tsy maty manota, ary misy ny vahoaka sy ny tsy mpiray foto-kevitra amin’ny mpitondra natao hanjakazakazana sy hanaovana izay tiana hatao. Tsy misy arofanina politika izany intsony eto, fa tena mizotra makany amin’ny tian-kano tsy tian-kano, hetraketraka politika, tsy firaharahiana ny Fanjakana tan-dalàna, ny soatoavina Repoblikanina,… Taiza teo amin’ny tantara no mbola nisy filohana andrim-panjakana miisa 2 naongana noho ny fomba fijeriny ara-politika manatsikafona ny zavatra tsy mety eto amin’ny Firenena fa niseho izany tamin’izao fitondrana izao. Inona tamin’ny nolazain’ireny olona ireny no diso ? Moa tsy tafiditra ao anatin’ny lonilony politika lalina isika rehefa nandeha ny amboletram-pifidianana ? Iza no sahy hilaza fa tena milamina ara-toekarena sy sosialy i Madagasikara ary mahatoky antsika ny mpampiasa vola ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

amin’ny ambarany fa fahombiazany eo anatrehan’ny faharavan’ny firenena miseho amin’ny endriny maro ?

Card image cap
02-mai-2024

tsy mety mandroso mba tsy hilazana hoe tsy maintsy mihemotra hatrany aloha hatreto no miseho.

Card image cap