airtel

Edito

08-nov-2021

Edito

Mitohy ny fikatsoana

Sample post image

Efa mitady ho lasa fahazarana izy ity. Mitohy ny fikatsoana. Izay no azo hamehezana azy. Tsy lavitra fa dia vao tamin’ny sabotsy teo fotsiny dia efa niaraha-nahita iny ny mbola fikatsoan’ny sidina nefa hoe niandoha ny fisokafan’ny sisintany.

08-nov-2021

 Anaty rova aza hatramin’izao mbola tsy azo tsidihina satria hoe mbola tsy vita ny fanarenana. Tsetsatsetsa tsy aritry ny fahatsiarovana ny faha 26 taona nahamay an’i Manjakamiadana ny sabotsy teo hatrany no ilazana izay. Kolontsaina politika efa hatrany amin’ny taona 1946, hoy ny mpahay tantara, no mbola hampiharina eto amin’ny firenena hatramin’izao ka aiza moa no hisy fandrosoana azo antenaina akory? Mbola ny kolontsainan’ny fitadiavan-tseza no manjaka ary efa izany sahady izao no saika hita taratra amin’ny hetsika politika miseho eto. Zary vazivazy fotsiny ny mikasika ny lazaina fa fahatongavan’ireo sambo miisa 20 hitondra entana ilaina an-davan’andro. Hitako efa mandalo manoloana ny tranonay ety an-tanety ety, hoy ny sasany. Sao dia sanatria nilentika, hoy ny hafa? Izany rehetra izany dia sombiny fotsiny ihany, ankoatran’ireo fitokonana marobe mbola tsy mety misava eraky ny tanana, milaza fa ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena aloha izany hatreto no manara-penitra indrindra eto. Na lafiny sosialy io. Samy mahita ny rehetra fa hatramin’io kojakoja ilaina amin’ny taontrano aza niakatra avo 2 heny ny vidiny. Tsy misy izay tsy mahalala ny olana misy eo amin’ny Jirama sy ny vidim-piainana midangana. Ny lafiny toekarena moa dia io mbola tsy mety tafainga hatramin’ireo sidina io. Mitotongana sy tsy mety tafaverina amin’ny laoniny hatreto ny vidin’ny lavanila. Tandindomin-doza hatramin’ny fiainan’ireo voahary rehetra misy vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana ateraky ny doro tanety sy ny tavy izay sady mifandray amin’izay lafiny toekarena izay ihany satria mety ho antony hafa koa ampihemotra ny tontolon’ny fizahantany. Ahoana moa no ahafahana manantena fa hisava vetivety koa ny olana eto Antananarivo manoloana ity resaka fahalotoan’ny tontolo iainana nisondrotra ho avo folo heny ity? Tsy ho antonona angamba ny pejy raha mbola hitanisa ny ankoatran’izany rehetra izany fa ny azo hamehezana azy aloha dia ny hoe mitohy ny fikatsoana ary iny hatreto no hita ho tena isan’ny manara-penitra indrindra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap