airtel

Edito

25-sept-2023

Mitombo ny fahantrana!

Lasa nalaza ny faran’ny herinandro teo ny haren-tsaina samihafa izay tsy dia matetika tonga eny imolon’ny

Sample post image

ankamaroan’ny malagasy loatra rehefa politika no resaka, indrindra, ny taona 2009 no nankaty. Isan’izany, ohatra, ny voambolana hoe “etika” na “tandrohasina”.

25-sept-2023

Misy koa moa ny milaza izany hoe “tondrohasina” ary ho an’ireo sasany mpikaroka momba ny siantsa mahaolona izy dia hoe “haifitondrantena”. Izany hoe fahaizan’ny olombelona iray mitondra ny tenany. Ankoatran’izay voambolana hoe “etika” izay ihany koa dia isan’ny fanontaniana napetraky ny mpanara-baovao mahakasika mpanao politika tsy nampoizina hanjary hanohana ny filoham-pirenena teo aloha izay malaza ho frantsay ankehitriny ny hoe nankaiza ny fotokevitra nijoroan’ireto olona ireto? Io indray izany ilay antsoin’ny frantsay hoe “principe”. Ny fahatelo farany dia ny mikasika ny hoe aiza ny fijoroana tamin’ny teny natao satria ireo mpanao politika tazana avy any ankavia no avy dia toa lasa farany havanana ireto tampoka tsinona dia samy tsaroana ho nitsikera mafy ny fomba fitantanana ny firenena nandritr’izay 5 taona izay ny ankamaroany, mba tsy hilazana hoe daholo? Tao ireo nampiaka-peo momba ny fahapotehan’ny lalana manerana ny nosy. Tao ireo nitsikera mafy ny fanaovana tsinontsinona ireo mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo sy ny fanaovana tsinontsinona ny fanabeazana eto Madagasikara. Tao ireo nitsikera ny tsy filaminan’ny fiainam-bahoaka toy ny mikasika ny fidangan’ny vidin-tsolika, ny fidangan’ny vidin’entana eny an-tsena, ny tsy fandriampahalemana mirongatra naterak’izany, ny fitomboan’ny tsy fisian’asa, izay raha aravina dia hoe fahantrana mitombo eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy sosialy, amin’ny ankapobeny. Ankehitriny tokoa izany dia hita ho mitombo ny fahantrana satria toa tsy voafetra eo amin’ny lafiny ara-batana na hita maso sy ara-tsaina intsony fotsiny izany, raha hiverenana ireo tranga nanaitra ny maro farany teo, fa dia tena mampametra-panontaniana hoe miha maro koa ve izany ireo miha mahantra ara-panahy, hany ka na ireo heverina ho avara-pianarana sy tia karokaroka efa mba nitana andraikitra goavana teto amin’ny firenena aza dia toa hita ho voasarik’izany varo-panahy izany na raha vantanina dia hoe moa ve izy ireo nivaro-panahy ka nandiso tanaty fotoana fohy monja avy izay voalazan’izy ireo rehetra teo sy tany aloha? Na izany na tsy izany dia hirariana hatrany ny voka-pifidianana hoavy eo mba tsy ho sanatria hampilentika ny firenena kokoa!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
27-mai-2025

amin’ny alalan’ireo rantsa-mangaikany samihafa toy ny JIRAMA, fa tsy

Card image cap