airtel

Edito

26-juil-2023

Edito

Mitotongana tanteraka ny vola!

Sample post image

Marika fa tena gisitra isika Malagasy. Manodidina ny 40% no fitotonganana nahazo ny volantsika niainga tamin’ny 2019 izay fotoana nandraisan’ny manara-penitra ny fitondrana.

26-juil-2023

Tatsy amin’ny Nosy Maorisy dia avy any amin’ny 37MRU no lasa 42MRU ny vola euro, izany hoe nihena 10% eo ho eo ny volany. Tahaka izany koa ny tatsy Afrika Atsimo. Ireo rehetra ireo moa dia azo lazaina fa noho ny valan’aretina COVID avokoa ka nampihena ny toekarena maneran-tany. Samy niharan’ny krizy, fa ny antsika kosa tena avo lenta sy manara-penitra ity fitotonganana ity. Dia mbola nisy nitehaka ihany ny filoham-pirenena raha nilaza hoe: nahay nitantana izy fa mety efa lasa 10 000Ar io vola io raha tsy ry zareo no nitondra. Hatreto dia isika Malagasy irery no firenena tena nitotongana tanteraka ny volany tato anatin’ny dimy taona. Mbola resin’ny Okrainiana izay misedra ady ankehitriny, resin’i Afganistan ihany koa, nefa ry zareo dia misedra ady anatiny lehibe noho ireo Talibans miady hitondra ny firenena. Dia tena azo lazaina ve izany fa fahaizana mitantana ity fitotonganana 40% ity? Aleo mba samy handini-tena sy manaiky diso ihany indraindray. Tsy mitsahatra manafatra entana no heverin’ny mpitondra fa fampandrosoana. Tsy misy mandinika mihintsy ho an’izay mpamokatra eto an-toerana. Misy minisitra aza moa dia faly mihintsy mitsena izany vokatra nafarana, izay famonoana ny tantsaha sy ny vola Malagasy izany. Tsy fahaizana ve sa fanahy iniana?
Tahina Razafinjoelina

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mahafehy ny zava-drehetra mikasika ny fitantanana Firenena ankehitriny io,

Card image cap
22-mai-2025

fitondràna izao hahatongavana marina ho an’ity Madagasikara ity isika mianakavy!

Card image cap