Be tsy miteny tokoa ity tany misy antsika ity ka na dia iharan’ny fandoroana sy mahatsiaro mijaly vokatr’izany aza nandritry ny fotoana maro dia io izy izao vao hita mamaly amin’ny alalan’ny fanasaziana ny zanak’olombelona io. Mba samy nanantena rotsak’orana ery ny faran’ny herinandro, indrindra, ny teto an’ivon-tany izay tsikaritra ho an-dalan’ny sisa tsy hahazo na zara hahazo izany saingy tsy araky ny fanentanana feno fanantenana nifanaovana tanaty tambazotran-tserasera hoe “samia miomana” no tranga nisy. Mitohy ny tany karakaina sy tsy fahampian-drano vokatr’izany ary loza lavitra noho ny areti-mandripaka maha valalanina ny maro amin’izao fotoana izao izany, hoy ny mpitsabo, satria tsy vitan’ny hoe ho sady isan’ny ho loharanon’io aretina io mandrakariva fa mety ho sanatrian’izany ho loharanon-karetina hafa hiafara amina famoizana aina ihany koa. Inona tokoa moa no dikan’ny fanentanana ny Malagasy hanasa tanana matetika amin’ny rano sy savony raha toa tsy misy akory ilay rano ary miha lafo vidy ilay savony, ohatra? Tsy ny Coronavirus irery anefa no ilana izany amin’izao fotoana izao fa rehefa mety ho valanaretina. Aretina, haintany, tsy fanjarian-tsakafo, tsy fisian-drano, kere, tsy fandriampahalemana, fidanganan’ny vidim-piainana, fahasahiranana maro samihafa izay mbola tsy mety voavaha hatramin’izao no mbola iainana eto amin’ity firenena ity. Tsy maintsy ho isan’ny ho fialan’ny mpitondra bala izao, mazava ho azy, ny hoe tsy ahafaha-mihetsika ity valanaretina ity nefa isika mbola nahavita manara-penitra sy ny toy izany. Heverina fa tsy any intsony angamba izao aloha no tena fototr’olana maika hitadiavam-bahaolana fa tena ilay hoe ahoana no ahafahana manavotra ny firenena aingana ao anatin’izao fahoriam-bahoaka mitombo isan’andro iainan’ny 92%ntsika ato amin’ity Madagasikara ity izao kanefa azo antoka fa tsy ho tena hisy ilan’ny sehatra hafa ivelan’ity nosy ity azy loatra? Inona no tokony atao manoloana izany rehetra izany fa io fa efa mitroatra ny tany?
J. Mirija
ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.
Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena