airtel

Edito

28-avril-2021

Edito

Mitrongy fototra

Sample post image

Aiza ilay Malagasy malaza ho tia fihavanana, hoy ny firehana politika iray izay, tamin’ity herinandro ity,

28-avril-2021

 

 

 raha ry zareo filankevitra heverina ho matetika tokony hamerina izany no nandrasana ho lohalaharana amin’ny fametrahana izany fanontaniana izany sy hanao ny ezaka hamerenana izany amin’izao fotoana izao. Tsy miafina fa miharihary ankehitriny ny endrika fizorana any fialana tanteraka amin’ny soatoavina, kolontsaina, fomba neverina ho nitahiry fahendrena teto amin’ity firenena ity rehetra. Tsy nisy ve moa ny tabataba narahana fanazavana siantifika maro tamin’ny fotoan’androny nilazana fa tsy mifanaraka amin’ny fiarovana ny atao hoe vakom-pirenena ny fikitihana ireo totohabato tetsy Antaninarenina sy Ambondrona? Tsy nanakana ny fitondrana mijoro ankehitriny tsy hikitika azy ireo anefa izany. Toy izany koa no nitranga tamin’ny raharaha “Colisée” ao anaty Rova saingy mbola nirosoan’izao fitondrana izao ihany koa ny fametrahana izany na inona na inona fanazavana nomen’ny mpahalala. Iza no tompon-kevitra tamin’ny filanjana vatam-paty nisy soratra hoe “Miala Rajao” tetsy amin’ny kianjan’ny 13 may tamin’ny 3 taona lasa? Mifanaraka amin’izay soatoavina sy fototra maha izy antsika izay ve ny hevitra sy fihetsika toy ireny? Maro ireo fanontaniana mby ao an-tsaina sy tiana averina foana satria tsy mety misy mamaly manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mbola ao anatiny ilay hoe tsy miasa ve ny mpanolontsain’ny filoham-pirenena sa izy mihitsy no mafy loha? Mampijabaka azy fotsiny ve no antom-pisian’ireo mpiara-miasa aminy? Niaraha-natadidy ny antsoantso mikasika ny tokony hanidiana sisin-tany tamin’ny martsa 2020 saingy hoe tsy mafy noho ny pesta sy cholera moa io no setriny tamin’izany dia izao isika tafiditry ny valanaretina izao. Mbola miverina ihany io ny lesoka amin’ny fanabanahana ny seranana hidiran’ny “variant” manaraka ary ny vahaolan’ny fanjakana, hoy ny rodoben’ny mpanohitra izay, dia ny fandavahana fasana ho an’ny olona mbola tsaboina toy ny fanaon’ny mpamosavy. Tsy mba manamafy fototra fa mitrongy ireo fototra naha izy azy miandalana isika ity ankehitriny ka rehefa tena mirodana tanteraka angamba ny firenena vao samy hihenahena.

J. Mirija

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap