airtel

Edito

10-juin-2024

Mitsipozipozy!

Ny resaka fifidianana eo. Ny Barea koa mbola eo.

Sample post image

Ny olan’ny firenena amin’ny ankapobeny moa efa resahana sy handrosoana vahaolana tsy mety misy mpihaino isan’andro.

10-juin-2024

Naman’ny lanilany fahatany iny ny volabe 77 tapitrisa Dolara nambara ho nanavaozana ho kianja manara-penitra ny kianjaben’i Mahamasina fahizany. Fanindroany misesy rahampitso talata isika izao no hindrana tranon’olona hampiantranoina vahiny any Afrika atsimo any, raha atao amin’ny fomba hafa ny filaza ity fampiantranoana lalao amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra ity. Lafiny fanatanjahantena iny fa na tiana na tsy tiana dia volam-bahoaka daholo no miala amin’izany rehetra izany. Ilay vahoaka malagasy izay mitsipozipozy satria tsy mivelona intsony ny ankamaroany amin’izao fotoana izao fa manao izay tsy hahafatesana anio, arak’ilay fomba fiteny tao anatin’ny repoblika hatramin’izay ka hatramin’izao izay hoe «Aleo maty rahampitso toy izay maty androany!». Ekena tokoa fa tsy mbola nety tafavoaka tanaty fahantrana isika hatramin’izay naha repoblika antsika izay saingy ankehitriny izany dia io namafisin’ny tahirim-bola iraisampirenena io fa vao mainka nilentika tanaty fahantrana lalina. Manomboka any amin’ny heverina ho zava-madinika tahaka ny saran’ny fifandraisan-davitra na «connexion», izay isan’ny tena nidangana sy miha tsy zaka intsony ankehitriny ny vidiny nefa mba efa nahafahana tokantrano samihafa maro namorona fihariana madinika betsaka no taratry ny tsy fanjariam-piainana eto voalohany. Ireo mpiasa amina orinasa mampanao asa ampitain-davitra koa moa dia isan’ny lasibatr’io. Ny tsy fandriampahalemana mirongatra. Tsy any ambanivohitra ihany fa hatraty an-tanàn-dehibe koa. Ny vidin’ny filàna an-davan’andro ikafiriana vao mahazo satria tsy ampy hividianana ny tena fenitra ilaina intsony ny enti-manana. Na ny zatra nandeha fiara manokana fahiny lasa mandeha taksibe ankehitriny fa tsy mba mahatakatra fiarakaretsaka intsony akory. Nahena aza ho an’ny ankamaroany izay fizorana anaty fitateram-bahoaka izay fa dia aleo mandeha an-tongotra mba ho sitrany hahay hisy hanampiana hamelomana ankohonana. Miaina anatin’ny mitsipozipozy na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe «précarité» ny ankamaroany kanefa dia anaty toe-java-miteraka fitaintainana maro toy izany hatrany no asaina hitony satria fetim-pirenena, hono!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap