airtel

Edito

15-oct-2021

Edito

Mivarotra saka be loha

Sample post image

Lasa resaky ny moana sy ny marenina ny toe-draharaha miseho eto amin’izao fotoana izao fotoana izao. Na mikorontana ambony ambany aza ny zava-misy,

15-oct-2021

 dia terena ho manga tanteraka ny lanitra, ary mihazakazaka ny fampandrosoana. Tena hoe mandrifatra tanteraka I Madagasikara, raha raisina amin’ilay ambara fa vinavinana ara-toekarena, ka raha -6,1% ny fitotongan’ny fiharian-karena ny 2020, dia hiakatra 2,9%, hono amin’ity 2021 ity, raha ny tombatombana toa tsy marim-pototra. Raha ny vina amin’ny tetibolam-panjakana 2021 aza moa dia 4,5%, saingy ity tombana vaovao vohizina fa navoakan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ity, dia io 2,9% io. Ny 2022 moa dia voalaza fa tombanana ho 4,8%, ary 5,1% kosa ho an’ny 2022. Tena hoe: hanao fahagagana ve izany I Gasikara satria raha ny elanelan’ny 2020 sy ny 2021 izany, dia 9% be izao ny fiakarana amin’io vinavina io? Ary raha raisina amin’ny hatramin’ny 2022 dia tena hahavita ilay « taux de croissance à deux chiffres » izany i Gasikara. Asa re raha mbola mandeha amin’ny tany ny tongotsika na dia efa entin-javatra manidintsidina? Tena ahatarafana izany ve ny zava-misy tarafina amin’ny fiainam-pirenena ? Fivarotana « saka beloha » araka ilay fomba fiteny ny mbola fahasahiana miteny fa mandroso ny firenena, milamina zava-drehetra, manam-bola ny Fanjakana,… Mbola sahy mirehareha sy mamoaka vava ho manam-bola ary milamina ny zava-drehetra fa ao anaty fandaminana fotsiny, eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy miseho amin’ny endriny maro eto. Tsy misy tsy manao fitakiana, misavovona ny trosa na ny ananan’ny sehatra maro eto an-toerana amin’ny Fanjakana, na ny trosa avy any ivelany nolazaina telo taona lasa izay fa tsy hampandroso firenena na amin’ny 2060 aza,… Mbola sahy hilaza ihany ve fa ambadika politika hatrany ireny fitakiana maro samihafa ireny ? Raharaha hafa mitana ny sain’ny maro ihany koa ity gidragidra amin’ny borisatroka solontenan’ny menasofina, isan’ny tompon’ny vola sy harena, ary anisan’ny mpifehy ny toekarena eto Gasikara ity. Toa tsy mijanona amin’ny resaka stratejika sy toekarena, fa mety ho tafiditra amin’ny sehatra politika goavana. Asa aloha hoe : mandra-pahoviana no handaitra ity fanarontsaronana ny tena zava-misy amin’ny kisehoseho sy famarotana saka beloha ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap
19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap