airtel

Edito

28-sept-2022

Edito

Moana sy ny marenina…

Sample post image

Resaky ny moana sy ny marenina ny endrika isehoan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Samy manana izay maharepotra azy,

28-sept-2022

samy manao izay reviny, samy manao izay mahametimety azy,… Akaiky ny fifidianana, betsaka ny ahiahy, ambony ny risika hisian’ny fifandonana aoriana, saingy mbola mifampiziriziry amin’ny heviny aloha satria ny tombotsoa politika no mibaiko. Adihevitra ny momba ny vaomieram-pifidianana, ny lalàna, misy ny mangataka sy mitaky fifampidinihana hanovana ny rafitra mba tena hahaleo tena kokoa, saingy valy boraingina no re avy any amin’ny andaniny fa tsy misy krizy eto. Ny ankilany mampitovy tadin-dokanga, lasa miray feo sy miray latabatra ny nifanenjika fahiny, tena arakaraka ny zava-misy tokoa ny politika ka ny fahavalo omaly lasa sakaiza ankehitriny, ary ny namana teo aloha lasa fahavalo,… Inona izany no hitranga atsy ho atsy? Tsy resa-pifidianana ihany no lasa resaky ny moana sy ny marenina eto, fa ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny raharaha sosialy, ny fanarenana ara-toekarena, ny programam-pandrosoana,… Inona amin’ireo no mba misy zavatra tena mampiray saina ny vahoaka sy ny mpitondra. Ny ankilany milaza fa tsisy krizy eto, ny andaniny mitrongy vao homana mila hilentika amin’ny tany hatramin’ny lohany vao mahita ny harapaka. Nolazaina fa hatao anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana tsy vita tao anatin’ny 60 taona, avy eo indray hoe: tsy vita anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana, dia mety hiteny indray rahampitso fa efa natomboka ny fampandrosoana fa mila tohizana… Resy lahatra amin’ity Fanjakana ity ve ny tantsaha maro an’isa raha tarafina amin’ny nafitsony? Mahatoky azy ve ny mpiasam-panjakana raha ny zavatra nataony? Resy lahatra aminy ve ny sehatra tsy miankina mampiasa vahoaka maro? Mahatoky azy ve ny mpiasa amin’ny sehatra tsy manara-dalàna? Toa mahakely finoana raha tarafina amin’ny zava-misy, saingy milaza sy mivoy mivantana na ankolaka ny mpitondra fa mbola azo antoka ny fahalaniana fanindroany. Hiakatra ho “triplons” na mihoatra an’izany tokoa angaha ny “doublons” teo aloha!?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap