airtel

Edito

09-déc-2022

Edito

Mokon-doha, vola, basy,…

Sample post image

Betsaka izay tantara sy toe-draharaha politika mamohehitra sy hafahafa izay. Henjana ny zava-misy ary toa mampanao ny tsy fanao mihitsy rehefa izay tombotsoa politika mihoampampana izay no mibahan-toerana,

09-déc-2022

hany ka toa hahavitana mivarotra fanahy mihitsy aza indraindray. Miasa ny mokon-doha, vola, basy,… fa toa mikisakisaka ny rariny sy ny hitsiny? Toa mampahatsiahy ny raharaha nangotraka tany amin’ny 13 taona lasa hoe: mpanao politika malaza sy efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena, ohatra, no nalaza ho nitety sy nanery ireo mpikamban’ny fitsarana avon’ny lalàmpanorenana hanao sonia ny taratasy nataony hanamarinana ho araka ny lalàna ny amboletra politika. Tantara efa nisy teto ny herisetra, toy ny hoe: fanambanana basy ny zanaka mpitsara ambony mba nanerena ny reniny nanao sonia ka nanaiky tsy satry, kinanjo moa nodimandry ihany izy taty aoriana kely. Tahaka izanyy ihany koa ny fandraisana vozon’ankajo sy fanambanana basy Raiamandreny am-panahy. Tsy finiavana hamoha fota-mandry fa toa mitady hiverina na miverina amin’ny fomba ankolaka ny toe-javatra tahaka izany ankehitriny. Sanatria mbola ho sary tahaka izany ve no hiverina amin’ny fifidianana 2023 ka izay be mokon-doha sady manam-bola no manam-basy hatrany no hanao ny fitsipi-dalao? Rehefa zohiana ny resaka niparitaka momba ny toe-draharaha politika tato anatin’ny 72 ora, toa manomboka tsy misy fijerena hoe: na misy namana tonga saina sy tsy mijery arina an-tava aza no miteny sy mijoro eo anatrehan’ny tsy mety, fa rehefa tsy mifanaraka amin’ny tombotsoa politika dia mandeha ny tsindry an-kibetroka sy an-kanery ankolaka fa izay revin’ny lehibe no tsy maintsy arahina? Tena mivaona tanteraka ny zava-misy, tsy misy te hahalala izay soatoavina Repoblikanina any ka hoe: hiraharaha izay feom-bahoaka sy feon’ny hafa, fa tena miditra amin’ny “revy degany” araka ny fitenin’ny tanora. Ny mokon-doha, vola, basy,… no toa tiana haverina hibaiko ny zava-drehetra saingy mandra-pahoviana io no hahomby? Tena azo ianteherana mandrakariva ve? Ny tantara aoriana no hitsara
! Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap