airtel

Edito

24-juin-2021

Edito

Mpanandra-tena ikoizana

Sample post image

Ankatoky ny fetin'ny fahaleovan-tena isika amin'izao fotoana izao. Mialoha io, hitokana ny làlana manara-penitra vitan'ny Fanjakana teo aloha ny Filoha ankehitriny.

24-juin-2021

Mafy amin'ny fandokoana ny manga ho volomboasary satria dia i Andry Rajoelina, hono, no tena angady nananana an'izany. Mora ny miteny an'izany ary rehefa ry zareo izany dia voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondolo. Adino ve ny vavabe tamin'ny resaka "bye bye gôdra" nilazana fa nanana resabe ny an'ny teo aloha fa izy no tena hanao? Mila fanetren-tena !!! Tsetsatsetsa tsy aritra iny, fa dia miandry ny kabary manaraka indray izany ny ambanilanitra. Inona no velirano vaovao hatao? Inona no zavatra lehibe indrindra aty Afrika hatsangana?Ao anatin'ny vanim-potoana azo heverina ho tsy dia hanilika lava any amin'ny valanaretina isika izao, saingy tsy hita taratra ao anatin'ny asan'ny Fanjakana izany. Tsy hita izay sori-dàlana mazava, fa mandeha hatrany amin'ny kianjoanjo. Miainga amin’ny ankanamboatra kianja manara-penitra sy tranom-panjakana vitsivitsy eny, dia mitokana arahina serasera manaka-danitra no antsoina hoe fandrosoana eto. Na koa mivorivory sy manao atrik’asa ary manao fanambarana mirefodrefodrefotra ka tanisaina avokoa izao rehetra izao fa hatao, miaraka amin’ny filalaovana isa 13. Soa fa nisy an’ireny fotodrafitrasa vitsivitsy na maromaro ireny, fa raha any amin’ny vokatra miantraika amin’ny toekarena aloha, dia resy lavitra be. Izay foana ve no ho fiasa mbola handresen-dahatra ny Malagasy? Ny vahoaka àry Atsimo mihinana hoditr’omby sisa tsy lany tamin’ny fanamboarana kirary tsy lany, saingy tsy any no mampikoropaka ny Fanjakana hoe: oadray izany fahoriam-bahoaka fa ny hoe: lainga sy zavatra tsy misy no navoaka, manala baraka ny firenena,… Ireharehana fatratra ny hoe: indreto izahay ilay Mesia tonga hanavotra ny any Atsimo, fa ny teo aloha tsy misy dikany sy tsy namokatra. Ny vatsim-pianarana etsy Ankatso, ny karaman’ny mpiasan’ny fahasalamana aza efa fitakiana tahaka ny inona vao voavaly ka sao tsy hahomby intsony ny balarora, fa mba mila manetry tena amin’izay e ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap