airtel

Edito

06-sept-2021

Edito

Mpitari-bato vilam-bava

Sample post image

Vita iny ny fety aman-danonana nentiny fitondram-panjakana naneho ny zava-bitany, nampisehoana fa mahavita azy ny Filoha sy ny ekipany amin’ny tontolon’ny baolina kitra.

06-sept-2021


Nialoha iny dia nisy ny romoromoro sy ny disadisa, ary nisy mihitsy aza rahom-bava sy kafara. Asa hanao ahoana ny tohin’ilay fehezan-teny malaza hoe: “Aza adino fa tsy mbola tapitra eo io fa hitokana kianja aloha, ho fantatro daholo ianareo, ho hitanareo eo ny hahazo anareo”? Fitiavana sy firaisam-po ary firaisan-kiana anefa no novoizina nandritra ny fitokanana ka moa tsy izany ve no atao hoe: mpitari-bato vilam-bava, ka hafa tondroin’ny molotra ary hafa no ataon’ny tànana. Mbola manana fotoana hamaliana faty sy hihetraketrahana ihany amin’izao efa zava-misy izao? Tsara ny kianja nanatosahana vola tsy toko tsy forohana, saingy lasa haingo ambony tsikoko ihany raha tsy voajery sy tsy misy vahaolana ireo olana maro sedrain’ny vahoaka amin’izao fotoana izao: vidim-piainana, fampidirana mpianatra, tsy fandriampahalemana, ny olana ara-toekarena,… Lasa mivadika fanesoana, raha ny mpitondra Fanjakana hifety sy hiliba, higoka sy hisotro, higalabona amin’ny hanim-pitoloha toy ny fampirevena vazaha sy diaspora nentina avy aty Madagasikara tany Frantsa hatrany, nitohy tamin’ny fety be tsy nifankahitana taty an-tànana, kanefa ny Malagasy kely mpitrongy vao homana, mbola miady amin’ny kapoaka ny hoanina anio tadiavina rahampitso. Ny eritreritry ny politisianina ankehitriny dia ny hoe: mahazaka foana ireo na ho 5000Ar ny kilaon’ny vary, na ho 20 000Ar aza ny litatry ny menaka, saingy any andro, any ora, any fotoana,… mety mbola hitroatra ireo, mety mbola ho tonga saina, ary maro no efa mifoha ny mason-tsainy sy ny masom-panahiny. Moa sahy milaza ve ny mpitondra ankehitriny fa sahirana noho izao ny vahoaka tamin’ny fanonganam-panjakana nataony in-droa nisesy 12 taona sy 3 taona lasa izay? Moa raha mpitondra hafa fa tsy izy ireo ve no manao toy izao tsy efa raikitra ny fanonganana? Izay ilay hoe: rehefa ny hafa no misioka dia vorondolo, fa rehefa ry zareo dia voromanga. Na ho ela na ho haingana misy farany ny zava-drehetra, ka izay no hanaovana ny tsara hatrany. Raha mitohy tokoa hono mantsy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra ka sao fotoana tokony hanitsiana ity toetra tsy mba hanaiky ho diso mandrakariva ity izao ka hijery izay mba tena mahasoa ny valalabemandry ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap