airtel

Edito

29-avril-2024

Mpitondra sambatra

Misaotra anao aho, hoy ny hiran’i Sareraka tany amin’ny taona 2000 tany,

Sample post image

fa nomenao vahoaka dondrona! Valalabemandry ialahy, hoy izy, rahoviana ihany vao valalabemifoha?

29-avril-2024

24 taona aty aoriana isika ankehitriny. Mifoha maraina ankehitriny ny ankamaroan’ny malagasy, tsy mahita herinaratra. Tsy misy rano. Mody amin’ny hariva ihany koa dia mbola toy izay ihany. Mafy sy tena mahari-pery, hoy ny hoy ny matetika hita sy heno ambarantsika ihany tao anatin’ny 5 taona mahery izao, ny malagasy. Sambatra ianareo mpitondra manana anay, hoy kosa ny mpamakafaka iray izay ny sabotsy teo. Mpitondra sambatra tokoa angamba ka efa tsy maheno ny tena tarainan’ireo vahoakany intsony! Mifamadika amin’izay anefa etsy ankilany dia misy fanontaniana maromaro manitikitika ny saina hoe mba manao ahoana tokoa moa izany atao hoe mpitondra sambatra izany? Maha sambatra ny mpitondra ve ny mahita sy maheno laza fa mahantra ny fireneny? Maha sambatra ny mpitondra ve ny mahita sy maheno isan’andro fa tsy mandry fahalemanana ny firenena na distrika na kaominina, eny, fokontany tantanany? Toy izany koa ny hoe efa zara raha mihinana na tsy manan-ko hanina intsony satria miakatra isan’andro ny vidin’ireo filàna an-davan’andro eny an-tsena? Tapa-toha atsy, voaolana aroa, notafihin’ny dahalo tary, potika ny lalana atsy, ny ary koa potika, izany foana amin’ny ankapobeny no heno isan’andro ao amin’ilay firenena. Ny tena misongadina ataon’ireo mpitondra sy ny mpiaradia aminy anefa dia mizara sio sy koveta. Ho atao inona amin’ity rano tsy mandeha? Mifantoka amin’ny famitana teleferika. Hanampy trotraka amin’ny fahasahiranana amin’ny efa olana ateraky ny tsy fahatomombanan’ny herinaratra ve? Mitokana toerana mamoaka rano ho vidiana 500 Ariary. Izany ve izany no atao hoe mitsinjo vahoaka eto amin’ity firenena ity? Sa efa vita ny nampiakatra avo 5 na 10 heny ny karaman’ilay malagasy ka lasa mpanankarena daholo sy afaka manjifa izany haitraitra rehetra izany? Raha efa izay angamba no zava-misy dia azo antoko tokoa fa efa mpitondra sambatra no mitondra eto ary tsy ry zareo ihany no sambatra fa ilay vahoaka manontolo mihitsy ary diso ny tombana iraisampirenena namoaka fa miaina ambanin’ny fandraisana 2,15 Dolara isan’andro ny 80,5% ny malagasy ankehitriny.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap