airtel

Edito

25-janv-2021

Edito

Ny ambony mifandamina, ny ambany mifampihinana

Sample post image

« Les supérieurs s'arrangent. Au milieu se vengent. Les inférieurs se mangent. »,

25-janv-2021

 

 

 

hoy ny fandinihin-drizareo mpahay fiarahamonina ny fiarahamonina ankapobeny ankehitriny eto ambonin’ny tany izay. Ny samy ao ambony ao mahay mifanaraka ihany. Ny eo an-tenatenany eo mifamaly faty. Ny aty ambany kosa mifampinana mihitsy. Eto Madagasikara moa efa ela no niha foana io rafitra an-tenatenany io ary antony maha lasa saina indrindra manoloana ny zava-misy iainantsika eto amin’ny firenena ankehitriny io rehefa mahita hoe mifanjinja amina resaka doro ala sy volamena iray grama ny fokonolona sy ny rafi-panjakana toy ny zandary sy polisin’ala apetraka any ambany ravinkazo any. Etsy ankilany kosa anefa ny raharaha volamena hatreto tsy mbola misy trondro vaventy tra-tehaka maha resy lahatra ny mpanara-baovao. Tsy trondro madinika akory fa pirina aza angamba, hoy ny antoko politika sasany izay ireo nosamborina ireo. Manararaotra mampiakatra ny vidin’entana ilaina an-davan’andro sasany, na dia azo tsy ampiakarina ihany aza, ny mpivarotra maro ety ambalambahoaka ety. Vao miha nahazo aina moa vao naheno fanehoan-kevitra samihafa nilaza hoe bizin’ny samy mpitondra sy ny ekipany avy any ivelany any ihany ity resaka vary mora asaina amidy 550 ariary ankehitriny ity. Ekena fa mamely tokoa ny haintany ary mety tena latsaka dia latsaka ny fiakaram-bokatra saingy tsy azo ifampitsinjovana mihitsy ve izay mbola tahiry any ho any? Voatery tsy maintsy ampiakarina efa ho isan’andro tokoa ve ilay “kapoaka”? Ny ambony mifandamina, ny ambany mifampinana. Izany ve no mba endrim-piarahamonina heverina hampandroso eto sisa?

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap