airtel

Edito

08-août-2022

Edito

Ny ataony ihany no hataony !

Sample post image

Ny mahery tsy maody, hono, tsy ela velona! Tsy izay no miseho amin’ny fitantanana firenena ankehitriny, fa mahery amin’ny tsy antony ny mpitantanana.

08-août-2022

Sady efa tsy mahomby no mbola manao avo vava, mitsaontsaona, mandranitra,… Tsy misy arofanina intsony satria izay miteny toa hanaovana bemarenina avokoa. Mbola misy ny sahy milaza fa efa fialonana raha tsy mahita ny fampandrosoana ataon’izao fitondrana izao. Mampametra-panontaniana hoe: sao mba planeta roa samihafa aza no misy ny vahoaka sy ny mpitondra. Ny Malagasy mitombo izay tsy izy ny sahirana sy ny mahantra fadiranovana, ny antontan’isa milaza fa 73% ny tahan’ny mahantra nialohan’ny nahatongavan’izao Fanjakana Rajoelina izao, ary efa tafiakatra 81% izany ankehitriny. Miezaka miborosy ny loham-bahoaka amin’ny hoe: efa miezaka, tsy vita herintaona na roa taona na telo taona ny asa fampandrosoana. Arafeesin’ny tsy fahombiazana sy ny tsy fahaizana angaha ny loha ka manadino fa hanao izay tsy vitan’ny teo aloha nandritra ny 60 taona anie ny vava be natao tamin’ny propagandy e? Ny tena mahatsiravina, ny vahoaka mifafa ny kihony, malazon’ny fahasahiranana sy ny fidangan’ny vidim-piainana,… Ny mpitondra mbola miliba amin’ny volam-bahoaka, raha tsy hilaza hoe: minisitra handeha hamonjy Festival Somaroho hametraka mari-boninahitra mbola mahavita manofa fiaramanidina manokana na “jet privé”. Amin’ny alalan’ny volam-bahoaka sa volany manokana? Tofoka sy tezitra amin’izany ny olona, dia lazaina fa mpanakorontana, mpanongam-panjakana, mitady seza,… Tsy misy arofanina intsony ny mpitondra ankehitriny. Rehefa iza no hiteny sy hijoro hilaza fa tsy mety intsony izao vao hanaiky izy ireo? Borosiana ny saim-bahoaka fa tsy ilaina ny mijoro haneho fa tsy mety izao, tsy zaka ny fidangan’ny vidim-piainana, tsy mandry fahalemana ny tany,… fa izy mianankavy mbola manao ny ataony, tsy mba hahalala hiova famindra. Io ilay hoe: tànana efa zatra mitsotra tsy afaka hivokona intsony, fady izany hanaiky diso izany, ary tonga any amin’ny vazivazin’ny olom-pirenena iray hoe: ireo na mifanena aminao any amin’ny afobe aza dia mbola hilaza fa mitsidika olona no ataony any. Samia hatrany ho ela velona fa ny mandrakizay tsy misy eto amin’ity tany fandalovana ity e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap