1958 fa nahatsiarovana ny nandraisan’ny fitondràna fanavaozana fahefàna koa, etsy ankilan’izay, ny datin’ny 14 oktobra 2025. Fotoana izay nanaovan’ny filohan’ny fanavaozana fianianana tao amin’ny Fitsaràna avo momba ny lalàm-panorenana tetsy Ambohidahy. Ankoatran’ny hoe fahatsiarovana ny tantaram-pirenena tamin’ny 68 taona lasa izany, izay nilazàna fa nanana filoham-pirenena voalohany i Madagasikara na nanana fanevam-pirenena sy volany manokana anaty repoblika sy ny tahaka izany, sy ny hoe fotoana hahatsiarovana ny nidiran’i Madagasikara tamin’ny zioga vaovao napetraky ny frantsay, izay nanandevo azy an-taonany maro koa io, dia hahatsiarovana ny kihon-dalana vaovao nolalovàn’ny firenena vao herintaona katroka lasa koa ity andro anio ity. Heverina fa tsy voatery ho natao hidirana lalina be ny tena mety ho hery manosika ny filohan’ny fanavaozana na koa ireo mpitondra miaraka aminy sy mpiaradia aminy hanamarika ny datin’ny 14 oktobra saingy heverina ho tsara ho tsiahivin’ny olompirenena tsirairay ihany kosa anefa ny fisian’ireo daty miisa 2 mifanandrify ireo. Tokony ho marihina ve sa tsy tokony? Tokony ho ankalazaina ve sa tsy tokony? Adihevitra be nandritry ny andro maro izany teto. Ny tapaky ny mpitondra aloha izay dia io. Ho marihina anio ny fahatsiarovana. Ny amin’ny taona hoavy mbola ankamantatra. Hitondra inona ho an’ny firenena koa ity fomba vaovao ity? Mbola ho hita koa izay amin’ny hoavy. Na tiana na tsy tiana anefa dia averina ihany hoe mba nisy fomba iray nahafahana nitahiry tantaram-pirenena ho an’ny taranaka rahampitso indray aloha izany androany. Tantara izay hampahafantatra ny heverina ho tombony sy fahavoazana tao anatin’ireo tranga nisy na ny tamin’ny 68 taona lasa io na ny vao tamin’ny taon-dasa. Izay very tantara tsinona, hoy ny mpandinika sady mpanakanto iray izay, ho ratsy fiafara ka dia ny tantara tokoa izany no hitsara indray hoe nety ve sa tsia izy teo? Ny hoavy no hitsara!
J. Mirija