airtel

Edito

24-avril-2024

Ny kendry tohina no lehibe indrindra!

Ny kendry tohina no lehibe indrindra!

Sample post image

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

24-avril-2024

dia toy ny lasa zary tranga tsy mahagaga eto Madagasikara intsony no toy izany raha nahita loholona teo aloha avy aty anivon’ny fanoherana iray hoe nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Ny fanazavan’ireo nanaraka ny raharaha teny an-toerana moa dia hoe raharaha nahakasika azy tany amin’ny 15 taona lasa no nofongarina dia ireny niaraha-nahita omaly ireny no niafarany. Ahoana moa izany no hinoana fitondrana fatram-piandry kendry tohina hatrany toy izany ho manana fikasana hampandroso marina ity firenena ity? Iarahan’ny mpanara-baovao mahalala fa tsy vao izao no nahitana fifanenjehana politika tato anatin’izao fitondrana izao fa efa hatramin’ny taona 2009. Na inona fanazavana, na inona lazaina ho anton’ny fanenjehana dia niaraha-nahita hatrany aloha fa na mpanao politika neverina ho nanelingelina ilay fitondrana no niharan’ilay fanenjehana na olona anatina firehana manohitra ilay fitondrana na izay tsy mitovy fijery amin’ilay fitondrana fotsiny izao. Aiza ho aiza ao anatin’ny fambolena rivotra politika tahaka izany izany no ahafahana manangana ilay niheveran’ny mpanara-baovao ny filohan’ny HCC ho nilatsahan’ny fanahy masina toy ny resaka tsy fitanilàna, ny fandalàna fahamarinana, ny fandalàna fanjakàna tan-talàna, ny fametrahana fifidianana madio, mangaraharaha, eken’ny rehetra, mba tsy hamehezana azy amin’ny hoe fametrahana demokrasia tena izy? Raha izaho hatrany sahady ary no zava-mitranga, moa ve azo antenaina fa tena ho fifidianana tsy hisy tomika lavitra noho ireo naha be tsikera hatramin’izay tokoa no hitranga amin’ity indray mitoraka ity? Ho tsara lavitra noho ireo tao anatin’ny 60 taona ve?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

amin’ny ambarany fa fahombiazany eo anatrehan’ny faharavan’ny firenena miseho amin’ny endriny maro ?

Card image cap
02-mai-2024

tsy mety mandroso mba tsy hilazana hoe tsy maintsy mihemotra hatrany aloha hatreto no miseho.

Card image cap