airtel

Edito

04-oct-2021

Edito

Ny kibay an-kelika ihany ?

Sample post image

Toe-javatra manamarika ny politika amin’izao fotoana izao ny “ady an-trano”, ary hita taratra io na ao anaty Fanjakana na any amin’ny ankolafin’ny mpanohitra,

04-oct-2021

 eny fa na aty anatin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety aza dia tsy hay ny hanafina ny lamba maloto fa tafiditry ny ady an-trano noho ny fampidirana na efa fahatafidiran’ny politika. Mifampiahiahy ary sasatry ny mandamina ny disadisa ny ao anaty fitondrana. Ireny niaraha-nahita ireny ny ampamoaka tamin’ny endriny maro, izay ny mifankahalala aty vilany ihany no afaka manao izany. Lasa samy mitandritandrina sy samy maka ho azy, samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. Zary lasa mitoetra ilay politikan’ny “tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany”. Manomboka samy mailo sy matahotra ny hiandronan’ny rihitra amin’ny farany, ka mihavitsy ilay fanehoan-kevitra miaro ny Fitondrana. Tany aloha, dia efa karazan’ny nifanakiana fa raha olon’ny antokon’ny fitondrana avokoa no tao tsy toy izao ny fandrosoana,… Ny any anaty fanoherana ihany koa, dia isan’ny niteraka adihevitra hatry ny ela ity hoe: ahoana marina ity resaka fisaratsarahana ity sa samy miady ho lohany? Maro avy eo no mihevitra hoe: sao dia paikady ara-politika? Nanaitra anefa ilay karazana fanambarana raha nanao fandaharana adihevitra ny depiote iray, dia nilaza ny Rodoben’ny mpanohitra fa tsy handray anjara ao amin’ilay adihevitra. Tonga ny ora, dia iny fa nandeha ihany ilay fandaharana, ary niady hevitra soa aman-tsara ilay depiote lany tamin’ny lokon’ny antoko mpanohitra. Maro no nitehaka satria nahatsapa fa nanatombo tamin’ny venti-kevitra ilay depiote, ary ireo resy lahatra tamin’ny zavatra nambarany dia nitora-bato ilay vondron’ny mpanohitra nanao fanambarana. Nisy ihany koa anefa no nitora-bato azy ho mpanohitra sadasada ? Valalanina ny mpanaraka hoe: inona ary ity? Tafiditry ny areti-mifindran’ny ady an-trano ve? Toy ny any anaty Fitondrana ihany hoe: maro no diso fanantenana, maro no manomboka mitandrina mitady izay asiana ny tongony na mody mbola ao anatiny ao ihany, ka toa tonga aty amin’ny fanoherana ihany koa io rehefa halalinina. Ny mahagaga, tsy misy ny fanazavana ny saim-bahoaka ny tena zava-misy fa manjavozavo. Moa tsy mitovy amin’ny an’ny fitondrana ihany hoe: samy makamaka ho azy eo, ary toa mitady hiseho masoandro ny kibay eto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap