airtel

Edito

06-juin-2023

Edito

Ny nenina tsy aloha !

Sample post image

Ny nenina tsy aloha hananatra fa ao aoriana handatsa, hoy ny fahendren-drazantsika izay. Hatramin’ny filohan’ny

06-juin-2023

fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny fotoan’androny aza ankehitriny minainaina toy ireny loha tapaka ireny, hoy koa ny fiteny, manoloana ny tsy fanjariana maro aterak’ity fahatapahana herinaratra lavareny ity. Izao no vokatr’ilay azo raisina fa tsy mitombona, hoy ny sarinteny toa manadroadro na «sarcasme», araka ny teny frantsay, ataon’ny olompirenena aminy manoloana ireo fehezanteniny mitsikera mafy ankehitriny ity fitondrana ity. Ekena tokoa fa tsy Antananarivo irery no Madagasikara saingy iza moa no afaka nandiso hatramin’izay fa tsy nahafahana nitaratra izay ankapobeny tamin’ny nanjo an’i Madagasikara ny zava-nisy teto Antananarivo? Tsy eto avokoa angaha moa no mivangongo ny rafi-panjakana rehetra? Tsy eto daholo ve no toerana voatokana, araka ny lalàmpanorenana, hivorian’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry, handinihana izay tokony atao momba an’ity Madagasikara ity? Ahoana moa no tsy ho lasa mahavantana ny mponin’Iarivo, amin’ny ankapobeny, ny hihevitra fa izay rehetra hitany eto amin’ity renivohitry ny nosy ity no endriky ny zava-misy manerana ny nosy, raha toa ka izay no mbola fomba hitsinjarana ny fahefana misy eto? Dia ho lazaina indray ve izao fa efa anatin’izany ezaka fitsinjaram-pahefana izany ny fitsinjarana ireo faritra miisa 22 ho lasa 23 dia avy ho 24 mihitsy? Tsaroana ny fanehoan-kevitry ny mpanakanto sady mpahaifiarahamonina iray izay efa hatrany amin’ny taona 2017 hoe mivangongo loatra eo am-pelantanan’ny filoham-pirenena ny fahefana ary handova dezaka isika raha izao no mitohy. Na ny asa tokoa aza izao hita ho miha mivangongo aminy samirery ary dia mahagaga hoe tsy misy mba mahay manolontsaina azy ny amin’ny tokony hisahanany raharaha maika hafa mifanandrify amin’ny sata maha filoham-pirenena azy ve ao fa tsy hoe avela ataony hatramin’ny miatrika tombola sy mizara «riz cantonais»? Hananantsika ity ny Tsimiroro, izay ireharehana fa na hamoahana solika anaty barilina miisa 100.000 isan’andro aza tsy ho lany laniana. Toy izany koa ny Bemolanga kanefa dia mahagaga fa 5 taona mahery taorian’ny nitsikerana mafy ny fitondrana Rajaonarimampianina ho namita-bahoaka fa tsy nahavaha delestazy tanaty 6 volana akory izao no vao mainka mampirongatra ity fahatapahan’ny herinaratra entin’ny JIRAMA ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap