airtel

Edito

06-mars-2024

Ny seza no lehibe indrindra

Tsy mbola nisy fitarainana mikasika ireo

Sample post image

lalana manerana an’i Madagasikara nihoatra noho izao angamba tato anatin’ny 15 taona farany.

06-mars-2024

Ny seza no lehibe indrindra izany aloha nefa hatreto ho an’ireo mpitondra sy mpiaradia aminy. Miharihary izany tamin’ireo tranga niseho hitam-poko hitam-pirenena tato ho ato. Miady mpiotifeo eny an-dapihazo sy imasom-bahoaka ireo olon-dehibe samy milaza ho mpanohana ny filoham-pirenena saingy hita ao ambadik’izay fa samy te ho lohany ihany koa. Tsy vitan’izay fa hatreny amin’ny haino aman-jery isan-karazany ihany koa no mampiseho ireo mahatsiaro ny tenany ho mpiara-mitolona tamin’ilay firenena fa leo an’ilay ahilikilika. «Frustré» moa no voambolana vahiny matetika heno tato ho ato. Tsy nahasakana ny biby hafahafa tsy handripaka ny biby fiompin’ny ambalambahoaka sy ireo isam-bahoaka tsy mandady harona. Tsy nanakana ny tsy fandriampahalemana hirongatra. Ny fako be mbola mitoby eny rehetra eny ihany aloha hatramin’izao. Mikatso daholo na dia ny ankapoben’ny fiainam-pirenena manontolo aza. Sosialy, toekarena, politika, tontolo iainana, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka omaly izay. Mba voatendry ihany aza ny filohan’ny delegasionina manokan’Antananarivo ary dia iny efa nampitolagaga ny mpandalo nanatri-maso rehetra iny sahady moa fa dia nirentirenty ny fiarabe maneno eraky ny lalana nanatitra azy tao amin’ny lapan’ny tanàna sy nody. Madagasikara tsy maintsy mandroso anefa no filamatr’ilay fitondrana amin’io ka dia asa aloha!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap