airtel

Edito

07-juin-2021

Edito

Ny teo ihany no eo

Sample post image

Ny tanana zatra mitsotra, hono, tsy afa-mivonkona intsony. Misy koa ilay fomba filaza iray izay hoe kolontsaina raiki-tapisaka.

07-juin-2021

Toy ny miverina miaina indray ny tetezamita 2009 amin’ny endriny 2021 ankehitriny ny Malagasy rehefa mijery ny zava-misy sy ny hetsiketsika miara-dalana amin’izany rehetra. Ny teo ihany no eo. Ny fomba fiasan’ny fitondrana nisy tamin’izany ihany no toa mbola tahafin’ny fitondrana mijoro ankehitriny ary na efa tsy tetezamita, ilay nireharehana tamin’izany fotoana hoe tsy nisy famatsiam-bola nefa nahafaha-nihetsika ihany, intsony aza fa repoblika nankalazaina fa tsy misy atahorana ny amin’ny ahatongavan’izany famatsiam-bola izany no iainana ankehitriny dia io iaraha-mahita io fa tsy mety tafavoaka ny firenena. Fisandratana no nandrandraina saingy fahasahiranana miampy isan’andro hatreto no hiainan’ny vahoaka. Tsaroana tsara tamin’izany ny fanakatonana kianjan’ny demokrasia rehefa tsy zakan’ny fitondrana nijoro izay nitokana azy ihany ny demokrasia am-pilaminana naseho tao anatiny tao. Navadika ho vala botanika mihitsy moa izany ankehitriny. Nitovy ihany ny mpifandrina politika nisy tamin’izany sy amin’izao ary efa tamin’izany no nisy an’io endrika fanakantsakana sy fanelingelenana ny mpifanandrina politika amin’ny tena io. Tsy navela niditra teto an-tanindrazana ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, ary amin’izao moa dia io iaraha-mahita fa araha-maso hatraiza hatraiza io. Naneho fahendrena nandritry ny 4 taona, hoy ny filazam-baovao iray izay, ny filoha Andry Rajoelina, fony izy tsy teto nandritry ny fitondrana Rajaonarimampianina. Nitombo fahamatorana ihany koa, hoy ny fanasohasoana hafa saingy iaraha-mahita ity ny zava-misy. Tsy voafehy ny toekarena, ny sosialy, ny politika, ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Toy ny tamin’izany ihany. Ny teo ihany, hatreto, no eo.

J. Mirija

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap