airtel

Edito

09-sept-2021

Edito

Ny tody itsy misy

Sample post image

Heverina fa tsy tokony haha sasatra ny hampahatsiahivana hatrany fa ny atao hoe “tody” dia ny fiverenan’ny atao ihany. Antony niheveran’ny Ntaolo Malagasy io fa akaikin’ny zanak’olombelona hatrany na hoe

09-sept-2021

 “itsy” akaiky “itsy” ny tody ka manody azy raha toa ka be vinany, hoy ny fitenin’ny tanora izay. Izay no nahatonga ny ohabolan-drazana hoe “Ny tody itsy misy ka ny atao no miverina.” fa tsy hoe “Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.” na koa mbola verezin-dika kokoa amin’ny hoe “Ny atody tsy misy fa ny akoho no miverina.” Tsetsatsetsa tsy aritra ary azo hanatonana mpahalala sy hijerena raki-tsoratra momba izany hatrany ho an’ireo mbola tsy mino izany lojikan’ny fisian’ny tody izany no ilazana azy ety am-piandohana no sady idirana amin’ny tranga ankehitriny izay heverina ho mifandraika amin’izany ho raketin’ny tantara ihany koa. Tsy misy izay tsy mahalala ny tranga mibahana ny tontolo politika sy kolontsaina eto Madagasikara ary mbola manankona ireo lafin-javatra hafa heverina ho ain-dehiben’ny firenena ankehitriny koa angamba ny olompirenena maro, indrindra, fa ireo mpanara-baovao. Tsy vao izao no nisiana “dosie”, araka ny fomba fiteny, nipoitra nikasika mpitondra sy olom-boafidy ary raha ny mikasika ireo minisitra moa dia niara-nahita isika fa saika andro aman’andro, hatramin’izay nitsanganan’ity governemanta mbola maro ireo mihevitra azy ho vaovao ity foana, ny fivoahan’izany teny anivon’ireo haino aman-jery isan-karazany. Niainga teny amin’ny tambazotran-tserasera io ary nipaka tamin’ireo fampahalalam-baovao samihafa. Mbola mampametra-panontaniana foana moa hatramin’izao hoe inona marina ny tena antony sy mba tanjona miabo ho an’ireo izay loharanonin’izy ireny ho fampandrosoam-pirenena? Hahatanteraka ilay fisandratana na “emergence” lazaina fa kendrena anaty fotoana fohy ve izany? Inoana sy antenaina fa mba samy hahay haka lesona amin’ny zava-mitranga amin’izay ny rehetra ka tsy hifandany andro hifamoaka “dosie” lava tsy mitondra afa-tsy fifanalam-baraka sy famotehana fiainana manokana eto intsony fa mba tena hifampidinika izay ho soa iombonana eto amin’ity firenena ity amin’izay. Atsipy, hono, ny tady eny an-tandroky ny omby. Atsipy ny teny ho any am-pon’ny mahalala saingy raha mbola hisy ny hifidy hifamaly faty sy hifanaratsy eto ihany moa dia efa voaozona tsy handroso izany isika ity fa hiodina hanao kodiaran-tsarety eto hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap