airtel

Edito

02-févr-2021

Edito

Ny tody tsy misy fa…

Sample post image

Miverina ny tantara eo amin’ny sehatry ny fanaovana politika eto Madagasikara.

02-févr-2021

 

 

 

Ny mpanohitra tena nahavita azy, nahavita nandrodana sy nampikoa ny Fanjakana roa notoheriny roambinifolo taona sy telo taona lasa izay no eo amin’ny familiana an’i Gasikara ankehitriny. Tsy mamoha fota-mandry, fa mila todihana ny tantara. Hafa ny fomba firesaka sy fiady tamin’izany, fa tena nanao ny tsy fanao ara-bakiteny. Namaky biraom-panjakana, fototry ny fandrobana sy ny fandorana, tsy afa-miala amin’ny raharaha rà mandriaka sy ny faty olona, nandray vozon’akanjo sy nanambana basy Raiamandreny am-panahy, nampaniraka ireo olom-pehezina haniratsiratsy ny manamboninahitra ambony mpifehy azy,… 12 taona taty aoriana, ny Lehiben’ny fandrombaham-pahefana tamin’ny tsy ara-dalàna tamin’izany no lasa mpanome lesona momba ny demokrasia fa ilaina ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika, tsy handroso sy tsy ho sangany aty Afrika ny firenena ary tsy ho tratra ny harin-karena 4000 hatramin’ny 5000 dolara isan’olona raha tsy misy ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika ao anatin’ny fotoam-piasana efatra eo. Ny isan’ny sangany tamin’ny fitarihana ny miala Rajao nisian’ny vatam-paty teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey no manome lesona ireo niara-dia taminy tamin’izany,… Rehefa ny hafa dia vorondolo fa rehefa ny tena dia voromanga ve? Tsy basy mipoaka, tsy fidinanana an-dalambe miseho, tsy hetsi-bahoaka mitranga,… fa vao resaka ambony latabatra, famakafakana anaty haino aman-jery, fitsangantsanganan’ny mpanohitra dia efa may volon-tratra ny fitondram-panjakana ankehitriny. Taiza teto ambonin’ny tany no nisy hoe: handeha hanafosafo sy hidoka Fanjakana ny mpanohitra ? Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, hoy ny fomba fiteny. Asa na efa zatra manao sy mahana tsy henjehina ny mpitondra Fanjakana ankehitriny, ka mety manofy ratsy amin’ny hisiana fipoahana. Efa izay no asany, dia ny hitsingoloka ny fitondram-panjakana misy. Arakaraka ny fomba nahatongavana teo amin’ny fahefana ihany koa avy eo ny fomba fiasa hoenti-mamaha olana, izay tsapa ho mirona betsaka amin’ny fandrangarangana sy fampiasana basy aman-tafondro. Efa fomba fiady tsy nahomby tany aloha izany, ka mila manova famindra e!

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap