airtel

Edito

30-juil-2021

Edito

Ny tody tsy misy fa…

Sample post image

Tao anatin’ity fitondrana Rajoelina ity no betsaka indrindra ny toe-javatra mamohehitra na “scandales” miseho. Toa niniana tsy noraharahiana, ary niaraha-naheno teto ny hoe: “izahay aloha izao no mitondra”. Fady

30-juil-2021

 ny hiaiky ny lesoka sy hanetry tena izany, fa minia midingin-drambo eo anatrehan’ny efa mety ho fahadisoana mihoampampan’ny Fitondrana. Mbola mieritreritra ho manao Revolisionina toy ny tamin’ny 2009 ve ka mitohy ny fahatokisan-tena be fahatany fa tompon’ny basy aman-tafondro? Amin’izao sady tompon’ny fahefana no tompon’ny vola ka tsy mieritreritra ny ampitso mihitsy, saingy misy fetrany ny zava-drehetra. Raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra !!! Andeha mba havadika kely ny eritreritra hoe: ahoana ny mety hiseho amin’izao vaninandro iainantsika izao raha toa izy ireo no eo amin’ny fanoherana? Moa tsy efa raikitra indray ny fanonganana sy filanjana vatam-paty? Nenjehina fatratra ireo Fanjakana teo aloha, nahavita nanao fanonganam-panjakana indroa, fa ny iray moa tsy nirodana tanteraka tamin’ny grevin’ny 2018 fa tamin’ny fifidianana vao tena nangoron’entana. Nenjehina ho mpanao kolikoly, mpanitsakitsaka lalàmpanorenana, tsy mahavaha olam-bahoaka ny Fanjakana Rajaonarimampianina. Ny tany aloha, dia naongana i Marc Ravalomanana satria nolazaina fa manao ampihimamba, mangoron-karena, manao didy jadona,… saingy inona amin’izany notanisaina izany no tsy miseho ankehitriny ? Tamin’ireo Fanjakana roa nenjehina fatratra aza mbola niaina kokoa ny vahoaka Malagasy na ara-tsosialy na ara-toakerana. Izao ihany koa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe : izay nafafy ihany no hojinjaina, tsy misy ny mandrakizay,… hany ka toa manomboka mivaly mivantana na ankolaka amin’ny Fanjakana ankehitriny izany ny tsy nety natao satria ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Anjaran’ilay Nahary no mitsara, fa ny fahitana azy aloha, dia toa azo adika izany ny zava-misy hoe : mila fibabohana sy fibebahana. Toa efa miraviravy tànana, tsy mahita izay horaisina,… mijinja ny nafafy. Ny resaka vina sy velirano aloha amin’izao dia naman’ny mampamangy, ary raha ny lojika politika ankehitriny hitarafana ny ho avy dia ity fe-potoana 5 taona vao misasaka ity aza toa mampanahy ny hahitana vokatra haingana aminy, ka aleo tsy manonofy 2023!

Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap