airtel

Edito

08-déc-2021

Edito

Olana rehefa tsy vahaolana

Sample post image

Mampahatsiahy ny tenina filoham-pirenena teo aloha izay izy ity hoe ny olona iray rehefa tsy vahaolana dia olana. Azo atao koa hoe ny vondron’olona iray angamba na mety hoe ny antokon’olona iray na fikambanana iray,

08-déc-2021

rehefa misy olona dia olana izy izay rehefa tsy vahaolana. Ahoana, hoy ny fanontaniana iray tao anaty tambazotran-tserasera hita omaly izay, ny hamahan’ny governemanta ny olam-pirenena iray raha toa ka ilay governemanta mihitsy no olan’ilay firenena? Tampina ny daomy. Arakaraky ny hirosoan’ny andro sy volana no miha tsy mampandeha amin’izay laoniny ny fiainana eto amin’ity firenena ity. Olana tekinika kely, hoy ny mpandinika izay omaly, amin’ny resaka fitsinjarana rano teny Ankatso sy Ambohipo teny kanefa dia tsy voavaha. Tena tsy voavaha koa aza ve sa niniana tsy novahana? Niakatra 1000 ariary ny saran’ny rano iray “bidon jaune” noho ny harerahan’ireo mpiandry paompim-panjakana. Tsy mahita ny rano fisotro zara raha mandeha sy ny efa sanatrian’izany, kely sisa, dia ranom-potaka no ho sotroin’ireo mponina aty an-drenivohitra sy ny manodidina mihitsy fa tsy any atsimo fotsiny ihany ve ireo mpanapa-kevitra eto amin’ity firenena ity. Ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny rehetra manginy fotsiny. Ny fidangan’ny vidim-piainana eo ary dia mbola mampanamafy ny fanontaniana tokoa izany rehetra izany hoe mbola misy henatra mitoetra ve eto amin’ity firenena ity, indrindra, ho an’ireo mpitondra manoloana izao zava-misy mila handrendrika tanteraka ny vahoaka Malagasy izao? Afaka hanana finiavana hanova azy ireo ho vahaolana fa tsy olana ve ireo tompon’andraikitra ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap