airtel

Edito

01-févr-2021

Edito

Oran’ny marina

Sample post image

Anisan’ny raharaha goavana naneho ny fidadasiky ny gaboraraka ao amin’ny

01-févr-2021

 

 

 

fitantanana ny sisintanintsika ao tamin’ity taona ity ny mikasika ilay raharaha volamena 73 kilao mahery. Mbola mampametra-panontaniana hatramin’izao moa hoe 73,5 sa 73,7 kilao ilay izy? Sanatria mbola mihoatra ireo tarehimarika ireo aza ve? Heverina fa amin’ity anio ity no higadonan’ny oran’ny marina momba izany rehetra izany ao Afrika atsimo ao. Inoan’ireo mpanara-baovao ihany koa fa hivoaka amin’ity anio ity ny anaran’ireo tena trondro vaventy fanetriben’ny firenena mahatonga ny harem-pirenena ho tantely afa-drakotra tahaka itony. Hatreto volamena ihany no ifantohan’ny resaka fa tsy nisy ritsoka re mihitsy momba ireo hoe vola vahiny matevitevina ihany nentin’ireo mpanao trafika niaraka tamin’ireo volamena.Iny efa nivoaka ny zoma iny ihany koa ny didy fampikarohana olona 7 hafa indray ambara fa tafiditra mivantana anatin’ny tambajotra.Hita ho misy fivoarany ny toe-draharaha, ary manantena ny rehetra fa hiteny ny marina, ary misy mety efa niteny..ireo atao fanadihadiana sy alaina am-bavany ka hilaza ny tena marina.Iza no goavana ao ambadiky ny trafika tahaka izao ? Any Afrika atsimo indray aloha ny maso amin’ity anio ity e .

J. Mirija

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap