airtel

Edito

17-févr-2023

Edito

Politika iva lenta

Sample post image

Am-bolana maro izay ary toy ny nezahana handindona ireo mpanara-baovao sy olompirenena maro ny fanovana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.

17-févr-2023

 Tsy mety mafana intsony anefa ny resaka. Hatramin’ireo sasany mpanohana ny fitondrana mijoro aza toa tsy mivaky loha amin’ilay izy loatra intsony na dia efa misy anarana vitsivitsy misodisody mety handray ny toeran’ny praiminisitra aza tao ho ao. Ny iaraha-mahita aloha dia tsy misy ny fampandrosoana mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka malagasy manoloana izao hirifiri-piainana mianjady aminy ankehitriny izao. Mihena ny ao am-bilany. Mihena ihany koa, mazava ho azy, no tonga eny am-bilia. Maneno matetika ny kibo. Raha efa mitsinjo ny tokony hasolo ny harena an-kibon’ny taniny mety ho lany atsy ho atsy ny firenen-kafa toy ny any Emira arabo mitambatra, ny teto amintsika kosa, miha ringana tsy nahitana tombontsoa mivaingana ihany ny ala atsinanana na dia nizingizinin’ny amiraly aza fa tsy ho lany intsony. Ny volamena tantely afa-drakotra sy lasan’olona an-tsokosoko tsy nahitana fiantraikany taty amin’ilay fiainam-bahoaka mihitsy. Ny amerikanina efa mahita izay mampiasa ny Nasa handoroana tanetina firenena mitady hanao vinany aminy, ny eoropeanina efa saika afaka mifidy amin’ny alalan’ny tekinolojia ampitain-davitra daholo, ny eto amintsika mbola masinina fanoratana na “machine a écrire” no zaraina any amin’ireo kaominina sasany. Ny filoham-pirenenao milaza hoe hamboly “coton de Tulear”, hampanaranaka omby vositra, mahita vary tsy miakatra raha tsy 2 taona dia samy iarahana miomehy fotsiny dia vita hatreo. Ohatran’ny hoe tsy maha menatra izany zavatra izany kanefa ny any Japon aza tapaka 20 minitra ny herinaratra fa miondrika mandritry ny 20 minitra ho fialan-tsiny ny minisitra. Ny eto efa aman’andro ny fahatapahan’ny herinaratra fa mbola “Alefa JIRAMA” ihany no hiakiaka henonao amin’ireo mpiaradia sy olon’ny fitondrana. Tranga tsy misy miova fa toy ny hita hatrany amin’ny taona 1958 tany ho any foana no hita mbola miverimberina eto amin’ny firenena. Anarany mba miova ny tekinolojia isany kirakiraina fa ilay fomba fanao politika na “pratique politique” dia mbola ilay iva lenta botrian’ny mpanani-bohitra izay nolazaintsika fa mpanjanatany hatrizay ihany, saingy amin’ny endriny vaovao hatrany. Mba maro ihany anefa ireo mpisehatra politika mahita fa hatramin’izao izany i Madagasikara dia mbola manaiky ho hany firenena miaina izay politika iva lenta izay amin’ny alalan’ny filalaovan’ireo vahiny politika avo lenta hanaovana saribakoly ny mpitondra azy hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap