politika ny fiainam-pirenena ka somary takotakona ilay tsio-drivotry ny fanavaozana. Ny mpanohitra sy mpamingana izay vao avy naloam-bahoaka ve no miha matanjaka sa ny Fanjakana ankehitriny no miha nalefaka sy sahirana ? Ekena ny ezaka sy ny finiavana entin'ny mpitondra, saingy tsapa sy tsikaritra ho mafana kokoa tsikera politika tato anatin'ny iray volana mitaha ny dimy volana voalohany, izay hita ho nirindra sy nipetrapetraka kokoa ny fomba fiasa, ary betsaka ireo asa sy fiovana hita nivaingana. Tsy manan-jo hanao fahadisoana na hivaona ny Fitondrana fanavaozana, indrindra fa ny famerenana ny tsy nety nataon'ny teo aloha. Tsy voatery harahina sy tanterahana izay resaka sy fanambarana etsy sy eroa izay ao ny manohana ilay fitondrana, ao ny mody manohana, ary ao ny tena manohitra, saingy mila manana sofina sy maso maro, fa tsy hionona amin'ny fisolelahan'ireo mpampijabaka sy tsy mijery afatsy ny sezany sy tombotsoany. Tsy voatery ho midika fanoherana ny zava-drehetra fa ao ny arofaninana, ao ny fanehoana fa tsy te hanan-dratsy taorian'ny nimatimatesana teny an-kianja,... Mila manana tsinjodia mazava sy azon'ny vahoaka refesina ny mpitondra mba ahitana mazava hoe: avy aiza sy ho aiza marina isika? Inona no tratra? Inona efa an-dalana ary inona no tena tsy tratra? Marina fa nisy ny tondrozotra noresahana, saingy matoa manomboka mitombo ny mimenomenona dia sarotiny amin'ny mety ho fitantanana tsy araka ny nimatimatesany. Mila ampiana ny tsio-drivotra miabo hamelona ilay fanantenany mitady hitsilopilopy ny vahoaka, mila maneho sy manaporofo fa tsy mivaona amin'ny fanamby dia ny hitondra fanovana sy fanavaozana ny vahoaka. Ny mety ho fahadisoana, ny fahatokisan-tena diso tafahoatra, ny fanaovana safobemantsina fa izay mampaneno lakolosy dia fahavalo,... dia lalana mitondra any amin'ny faharavana. Raha niteny ohatra ny fiangonana lehibe iray ka nilaza fa tokony hoentina am-pahamendrehana sy am-pahamarinana ny Firenena ary mila jerena ny tena marary ny vahoaka, dia mety mahita fa misy zavatra tsy mety. Tsy midika fa manohitra fa kosa mipetraka ho arofaninana sy mpamerin-doha,...
Toky R