airtel

Edito

24-juil-2023

Edito

Projet présidentiel”, fitiavam-bola sy voninahitra

Sample post image

Na fikojakojana ny lalana, na fanamboarana sekoly, na toeram-pitsaboana, na fizarana vary sy menaka dia lasa “projet présidentiel” avokoa ankehitriny.

24-juil-2023

Tsy misy ilàna ministera intsony izany eto amintsika fa dia ho atao eny anivon’ny prezidansa avokoa ny asa rehetra, ny ao rahateo moa tetibola goavambe. Ny olana dia sady zara fa vita ny asa no tsy mazava mihitsy ny fomba nahazoan’ny orinasa ilay tsena. Tsy misy irony “passation de marché” irony intsony fa lasa “asa maika” avokoa izay rehetra mandeha. Ny propagandy manakaiky, sady mila voninahitra ny mpitondra no mila vola. Ka tsy hay na izany indrindra no antony hanaovana ireny asa madinika rehetra ireny ho lasa hoe ny prezidansa no mizara asa avy hatrany. Dia aiza ilay hoe “décentralisation émergeante” nodradradraina vao fotoana fohy izay ? Fanahy iniana sa tsy fahaizana ny raharaham-panjakana no mahatonga ny mpitondra handray fanapahan-kevitra tahaka izao ? Raha ny tena marina mantsy dia efa tsy tokony ho eny amin’ny minisitera akory no hanaovana ireny asa ireny fa efa midina eny amin’ny faritra.Faritra izay mitombo isa tsimoramora fa hoe mba samy te hampandroso haingana kokoa ny azy amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana, kanefa….. Ny antsika izany dia ny mifanohitra indray no zava-miseho.
Tahina RAZAFINJOELINA
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mahafehy ny zava-drehetra mikasika ny fitantanana Firenena ankehitriny io,

Card image cap
22-mai-2025

fitondràna izao hahatongavana marina ho an’ity Madagasikara ity isika mianakavy!

Card image cap