airtel

Edito

10-janv-2022

Edito

Rahoviana vao hifampihaino

Sample post image

“00/20 no omeko ny mpanohitra.”, “ny mpanohitra ihany no tsy mankato teleferika.”, “tsy tia fandrosoana izay manohitra.” Santionan’ireo fehezanteny nisongadina tamin’iny herinandro iny ireo.

10-janv-2022

 Mbola mitohy hatrany ny fametrahana ao anatin’ny kitapo misy ny mpanohitra ireo mitsikera rehetra izay heverina ho tsy mety eto amin’ity firenena ity hatramin’izao. Rehefa tsy izay dia tsiponina toy ny mitsipona akotry avokoa izay irika rehetra ahafahana manilika ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao amin’ireo fitondrana teo aloha. Mamaha olana ve anefa ilay izy? Nampiakatra ilay harinkarena efa miiba na -7% mahery ve? Nanatsara ny aty vilanin-dRamalagasy ve? Misy mpandinika milaza moa fa miha mazava ny fironan’izao fitondrana izao amin’ny firehana kapitalista na fiheverana ny fametrahana fotodrafitrasa maro ho mariky ny fandrosoana na fampandrosoana. Rehefa dinihina nefa ny ataony toa vitany ihany koa ny manampi-maso indraindray amin’ny alalan’ireo fanomezana sosialy samy hafa. Vatsy tsinjo, Kaly tsinjo, Tosika fameno, Tsena mora, nandalo teo daholo izany rehetra izany sy ny namany rehetra. Toa nandiso tampoka ilay heverina ho fananany firehana kapitalista tampoka aloha iny fa toa sosialista indray? Ambony ambany koa etsy ankilany ny fanatontosana ireo heverina fa fandaharan’asan’ity fitondrana ity mandritr’izao fe-potoam-piasany hadiva hifarana izao. Iza no nahita izany kianja Barea na teleferika na filana andavan’andro 20 sambo izany tao anaty IEM? Tsy hiverenena intsony moa ilay fanontaniana hoe iza no tena izy IEM sa PEM sa Velirano sa PGE sa Plan Marshall? Mijery izany rehetra izany ianao dia mahita fa afaka mijery zoro na “horizon” hafa ankoatry ny azy ihany izany ilay fitondrana sy ilay filoham-pirenena rehefa tena misy fahaterena. Afaka manova politika hifanaraka amin’ny odidina na “contexte” misy ankehitriny, araka ny torohevitr’ireo olon’ny fitondrana sasantsasany. Rahoviana kosa ary izy no mba hahay hifampihaino amin’ireo ivelan’ny fitondrana izay mitsikera ny hita miharihary fa tsy mety ataony sa mbola ho sokajiana ho mpanohitra daholo hatrany na siantifika io na mpitsabo na “maintimolaly” ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap