airtel

Edito

14-déc-2021

Edito

Revin-gadra…

Sample post image

Mirona tanteraka any amin’ny politika iva lenta sy toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany ny mpitondra ankehitriny. Mihetraketraka, ary tena mihevitra ny hanana ny fahefahana mandrakizay, ety an-tany ka hatrany an-danitra.

14-déc-2021

 Rehefa ny hafa no misioka dia vorondolo, fa rehefa izy mianankavy dia voromanga. Toa efa tsy firenena demokratika intsony i Madagasikara, fa tahaka ny any Chine na Korea Avaratra izany no fomba fitantanana ny firenena. Toa efa tena politikan’ny revin-gadra, hoy ny sasany. Tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona izany Fanjakana matahotra sy manakana fankalazana tsingerin-taonan’olona izany, fa ankehitriny mipoitra. Ny mpitondra mahazo mamory vahoaka amina toerana hanjakan’ny coronavirus, fa ny mpanohitra darohana lakrimozenina raha mankalaza ny tsingerin-taonany any amin’ny toerana vitsy trangana valanaretina. Toy izany ihany koa ilay fahalalahana maneho hevitra. “Tena azo tsapain-tànana ny risika hisian’ny fipoahana ara-tsosialy, raha io zavatra mitranga amin’ny fiakaran’ny vidin-javatra io. Tsy ho zakan’ny vahoaka intsony izany taksibe ana 500Ar miampy ny fiakaran’ny vidin-tsolika dia mitarika “inflation générale” na fiakaran’ny vidin’entana amin’ny ankampobeny. Ny vidim-bary efa 2000Ar eny an-tsena, manampy trotraka izay anefa tsy mitady vahaolana ny Fanjakana amin’ny resaka delestazy, fahatapahan-drano, ny tsy fandriampahalemana tsy resahina intsony », hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy ny 02 febroary 2017, raha nivoy ny fipoahana ara-tsosialy sy ny fahalalana maneho hevitra fony ny ekipan-dRajoelina teo amin’ny fanoherana. 4 taona aty aorian’ny nitenenany izao? Aiza ilay hoe :avelao ny olona haneho ny rehetra? Efa tsy misy intsony ve ny delestazy sy ny fahatapahan-drano? Raha nodradradraina ny vidim-bary 2000 Ar dia ohatrinona izy izao? Ankehitriny, lazaina fa tsy hetsika madio fa mifono fanonganam-panjakana sy japian’ny mpanao politika ny ankehitriny, raha nikasa haneho hevitra teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny mpiara-dia aminy. Izay tian’ny olona io na mpanao politika na olon-tsotra hoe: haneho hevitra hamaly ny antso avo sa tsia? Asa raha mbola tsaroan’ny mpitondra ankehitriny ny filanjana vatam-paty sy nanompana faran-tampony ny Filoha voafidim-bahoaka tamin’ny 2018, saingy tsy marary aminy ireny satria tsy izy no voakasika, tsy olana aminy ireny satria izy no nanao, tahaka ilay mandoro sy mandroba fananan’olona ihany,… Izao vao fankalazana tsingerin-taona sy fanehoan-kevitra tsotra aza manahirana satria mahana tsy henjehina.
Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap