ankoatra ny fanavaoazana ara-toekarena sy ny ara-tsosialy ary ara-panabeazana, dia isan’ny lohalaharana ihany koa ny politika. Ny politika tsy manjary no isan’ny namotika be indrindra ity Firenena ity satria izay mpitondra teo, saika nieritreritra an’i Madagasikara ho fananan-tsamireriny avokoa. Nanjaka ny fambaboana fitondrana na « capture d’Etat » nentina nampitomboana ny ambaindain’ny haren’olom-bitsy, natao tsinontsinona hatrany ny vahoaka ka norahonana lava tamin’ny hoe : tsy maharesy tafika, tsy maharesy basy,… Zary fomba fanao ny fanagadrana ireo tsy mitovy hevitra ara-politika, saingy nikipiana ny hadisoana sy hadalan’ny namana mpiara-mitantana, hany ka nifampiaro tamin’ny ratsy teo foana. Raha nisy nanao tahaka izany, voalohany ny Fitondrana teo aloha izay niongana rehefa feno ny kapoakan’ny Malagasy nampian’ny tafi-bahoaka. Mbola misy anefa ny tsy maty voalavo an-kibo mieritreritra ny mbola hanao ny mafana sy ny mangatsiaka eto. Ezahana japiana ny fanambarana ataon’ireo Vondrona iraisam-pirenena amin’ny dinika andraisan’ny rehetra anjara, ka isan’ny resahana ny fahafahan’ireo sesin-tany politika mody. Inona tokoa moa ny olana raha mody eto fa kosa miatrika ny fitsarana araka ny lalàna ? Toa ezahana voizina lava ny hoe : valifaty politika fa moa nasiana vidiny ve ny aim-bahoaka tao anatin’ireny herisetra sy fatiolona farany teo ireny ? Mila arofanina politika lehibe isika mba tsy hiheveran’izay hitondra Firenena fa fananany manokana i Madagasikara, ka sanatrian’ny vava tena atao tahaka ny vorona azon’adalany, hany ka raha tsy maty dia mifoifoy volo. Na tiana na tsy tiana, isan’ny namotika ny Firenena ny mpanao politika, saingy betsaka no lasa tia manome lesona, tahaka ny madio tanana, tahaka ny tsy nanao na inona na inona,… rehefa miala amin’ny toerany na saro-toerana. Tsy finiavana hitanisa ireo ratsy, fa mila maka lesona isika, mila mijery fitaratra ny mpanao politika,… fa sanatria toa mihevitra ny vahoaka ho bado sy manao ririn-dasa tsy tsaroana lava eto.
Toky R