airtel

Edito

13-déc-2024

Rivo-baovao

Na tiana na tsy tiana dia heverina fa

Sample post image

hiaina rivo-baovao manomboka eto ny fanaovana politika eto Madagasikara.

13-déc-2024

Tsy azo tsinontsiniavina ny mbola fahamaroan’ireo olompirenena tsy tonga nandatsa-bato ho ana kandida heveriny ho afaka hitondra izay rivo-baovao izay. Zava-dehibe lavitra noho izay indrindra koa anefa ny nahafahan’ny antoko politika nifototra tamin’ny antsoina hoe vina sy fotokevitra ho lasa mpifaninana mifanatsahana tsara amin’ireo hery politika lehibe miisa 2 hita ho nivoy tsangan’olona nibahana ny tontolo politika teto Madagasikara efa ho 20 taona izao. Rivo-baovao miainga hanavao ny tontolo politika eto Madagasikara izany ary inoana sy antenaina fa hahavelom-bolo ireo rehetra mihevitra ny tenany ho mbola manan-tsaina. Mbola manan-tsaina hisainana izay tena mahasoa ity firenena ity ary mbola hanabevoho izay rivo-baovao efa miainga izay ihany koa ho lasa firaisankinan’ireo tena tia tanindrazana eto amin’ity firenena ity ka hihevitra amin’izay manomboka eto fa tsy mifototra amina anaran’olona na tsangan’olona mihitsy izany atao hoe fampandrosoana fiarahamonina na firenena iray izany fa miankina amin’ny fahaiza-manambatra ireo talenta sy fahaiza-manaon’ny rehetra mba hananganana ny mahasoa iombonana. Toy ny nahazatra hatramin’ny nahazoana ny atao repoblika malagasy noho nankaty ankehitriny ny zava-misy eo amin’ny tontolom-pifidianana. Tsy mety tomombana, tsy mety milamina, miha maloto faran’izay maloto hatrany mihitsy aza. Heverina fa tsy natao hipetraham-potsiny sy toherina tokoa izany saingy heverina maha be fanantenana lavitra kosa, etsy ankilan’izay, izay rivo-baovao miainga izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

izao vokatry ny adin'ny samy ngeza! Mety tsy maharototra ny ankamaroan'ny Malagasy

Card image cap
13-juin-2025

hitan’ny vahoaka Malagasy intsony izay inoana sy harahina ankehitriny.

Card image cap