Mandry fotsy ianao rehefa natory tsy nisakafo hariva. Tsy fahampian-tsakafo izany aloha eo no resaka. Mafy tamin’ny Malagasy izany ary mbola mangidy ho an’ny tokantrano maro eto hatramin’izao. Mandry tsy lavo loha kosa indray no ilazana azy mila mailo manoloana ny ahiahina tsy fandriam-pahalemana mety hitranga. Midika filana fahamailoana io hoe aleo manao mason’akoho ihany aloha rehefa matory sao sanatria ho avy ny mpangalatra na koa hoe olon-dratsy. Ny mandry an-driran’antsy moa dia mazava araka izany sarinteny izany mihitsy ny paozin’ilay toe-draharaha. Tsy mahita tory intsony fa dia mitaintain-dava toy ny mahazo ny ankamaroan’ny malagasy amin’izao, indrindra, any amin’ireo tontolo ambanivolo. Sao dia sanatria tong any dahalo? Sao dia misy jiolahy ho avy? Sao dia misy mangalatra ny lavanilina eny an-tsaha fa andao any mihitsy aloha no hatory, arak’ilay fitarainan’ireo solontenan’ny tantsaha vao niakatra teto Antananarivo vao haingana ireny? Sao dia misy maka ny voamaso na ny taova? Sahirana mandry ankehitriny ny ankamaroan’ny malagasy. Tsy amin’ny alina ihany koa no manjaka ny tsy fandriampahalemana na ny maraina sy atoandro be nanahary. Iaraha-mahalala izany hatrety an-drenivohitra sy manerana ny nosy. Inona moa no antony. Fahantrana, tsy fisiana asa, fahaveresana asa, bangoina amin’ny hoe fitotonganan’ny toekarena sy ny fiainan’ny Malagasy maro mihitsy. Voavahan’ny tosika fameno sy ny vary mora ve izany rehetra izany? Sarotra angamba ny hamaly hoe eny satria mandalo ihany ireny? Inona no vahaolana maharitra? Namaha izany tokoa ve ireo kianja manara-penitra sy ny fotodrafitrasa manara-penitra hafa mbola tsy mahatafavoaka ny 85%n’ny malagasy anaty fahantrana lalina hatramin’izao? Sahirana mandry ianao miheritreritra an’izany ary mirary hoe enga anie mba tsy ho mandrimandry manana aretina kosa ireo tokony hitarika amin’ny fikaroham-bahaolana manoloana izany rehetra izany!
J. Mirija
fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.
ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.