airtel

Edito

05-juil-2022

Edito

Sahobakaka ambodiriana

Sample post image

Mitaintain-dava tahaka ny sahobakaka ambodiriana ny ankamaroan’ny Malagasy. Tsy manana antoka firy amin’ny ho avy, fa toa tandindonin’olana mandrakariva.

05-juil-2022

Zavatra miiba avokoa no toa mameno sy mandrafitra ny andavanan’androm-piainana. Tsy mba manana Raiamandreny mpitondra azo hianteherana, fa miady irery, adin-tsaina no mameno ny fiainana. Ny vidin-tsolika hiakatra, hidangana ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana manao ny ataony,… Ny Fanjakana natao mba hianteherana amin’ny sarotra anefa tsy hita izay tena ataony, ny fampanantenana no betsaka, mbola manam-potoana hanenjehana sy hanilihana rihitra any amin’ny mpanohitra. Ny hangoron-karena sy hameno ny kitapom-bolany no ambony indrindra aminy, ka tsy misy tsy miseho rehefa afera malotom-panjakana. Izay vahoaka izany toa tezainy amin’ny hoe: tsipazana fanomezana kely tsy mankaiza sy ampirevena amin’ny artista bôjy amin’ny fifidianana dia azo antoka indray ny fahazoana fahefana. Tsy dia misy rahateo ny resaka fanabeazana politika eto, politikan’ny fanabadoana sy ny fanambakana no mibahan-toerana. Ny hany hanentanana ny olom-pirenena dia ny hoe: aoka mba handray lesona amin’ny zava-misy hanarenana ny ho avy. Aoka tsy hanaiky hohambakaina lava eto fa mba hanaraka sy hanjohy ary hahay hamakafaka hatrany ny fiainam-pirenena. Any amin’ny olom-pirenena ny vahaolana, any amin’ny besinimaro ny fanalahidy hialana amin’ny fahantrana satria tsy ara-bola sy ara-toekarena na ara-tsosialy fotsiny no simba amintsika. Mila fanarenana ara-toetsaina, ara-pitiavan-tanindrazana, ara-politika,… Sarotra ny manarina ny noravana teto, saingy tsy tokony hanary toky ny olom-pirenena, fa ny zava-dehibe dia ny fahaizana mandray lesona mba ho fanohitra amin’ny ho avy. Halavirina toy ny fasam-bao ny mpamotika sy mpandrava firenena mialokaloka ao ambadiky ny haingo ambony tsikoko hanambitamby amin’ny zavatra mamirapiratra kanefa mamboly fahantrana. Mba efa azo hitarafana ny hoe: izay no mahavita azy sy mety hahavita azy ary iza no fangoloka mpamotika sy mpandroba firenena ny zava-nisy sy ny tantara efa nolalovana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap