airtel

Edito

15-juin-2021

Edito

Samy 7 taona nitondrana izao ihany !

Sample post image

Miditra amina hafainganam-pandeha mafy dia mafy mampiseho ny maha TGV azy ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany amin’izao fotoana izao

15-juin-2021

 

  amin’ny fampanantenana an’izatsy tsy izaroa. Moa tsy toy ireny mbola vanim-potoanan’ny propagandy ireny isika? Lasa aloha ny propagandin’ny 2023 satria izay no azo hamehezana ny zava-misy. Ny an-tratra tsy lavo dia antsoy ihany koa Rainilahibe! Marina tsy azo lavina ilay hoe: manao ny tsy nataon’ny teo aloha nandritra ny 60 taona, ekena fa misy zavatra mitsangana,… saingy soa fa nisy an’ireny mba hireharehana, fa raha ny tena vokatra tena miantraika amin’ny sosialim-bahoaka sy ny toekarena, dia tsaratsara kokoa raha maka sisin-tosy. Sasatry ny midoka tena, manenjika ny hafa ho tsy nahavita. Moa tsy ity Fitondrana Rajoelina ity no fanaperana indrindra tao anatin’ny 60 taona raha ny fomba firesany sy ny fanandrantan-tenany? Mbola tsy nisy an’izany harin-karena faobe niiba -4,2% izany angamba anefa hatramin’ny naha Madagasikara an’I Madagasikara, raha tsy ity Fitondrana ity. Miteny ho azy ny ny filaharana maneran-tany, samy 7 taona nitondrana izao ihany, fa raha tany amin’ny faha-145/188 isika talohan’ny 2002, dia mba niakatra tany amin’ny 123 ny 2008. Nivarina 151 ny 2009-2014, ary amin’izao 2021 izao dia any amin’ny faha-186. Samy nandray firenena tao anatin’ny krizy ihany ireo Filoha roa teo aloha mbola mpifandrina hatramin’izao, dia ny 2002 sy 2009, fa ny iray nahatafiakatra ny harin-karena faobe tany amin’ny 7,1% ary ny iray nampitotongana tany amin’ny 3,3%. Namantana ny ezaky ny olona 5,2% indray ny 2018, saingy nanetry izany tany amin’ny -4,2% aty amin’ny 2021. Tsy resaka tsangan’olona, fa azo tsaraina amin’ny vokatra ny tsirairay. Ny laharampahamehana sy ny fahaizana no mitondrana an’io. Lasa haingo ambony tsikoko izany, raha toa ka ny olona aza fadiranovana tsy manana asa, tsy misy hoanina ka ataony inona kianja sy pisinina? Sao dia mitombina ihany ilay vazivazy hoe: sao dia mba Filohan’ny federasionin’ny baolina kitra na minisitry ny fanatanjahantena no metimety kokoa fa toa henjana ilay mitantana firenena ?

 Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap