airtel

Edito

08-janv-2021

Edito

Samy mila fanabeazana

Sample post image

Rehefa mijery ny tsikera etsy sy eroa mikasika ny fihetsik’ireo mpanabe mitaky

08-janv-2021

 

 

 

 ny zony ankehitriny dia tsotra no azo atao tsoa-kevitra. Samy mila fanabeazana daholo manomboka any amin’ny fitondram-panjakana ka hatramin’ireo entin’izy ireo. Mety ho isan’izany koa aza ireo napetraka eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy hisalotra izay anarana maha mpanabe izay mihitsy. Marary efa hatry ny ela ny fanabeazana eto Madagasikara. Zary tsianjery fotsiny izany hoe ny fianarana no lova tsara indrindra izany. Teny mahazo ny tian-kambara ao anatin’izany ve, ohatra, ny filoham-pirenena rehefa manao litania io fehezanteny io? Tena tokony omena tsiny ve ny mpanabe mandoro kodiarana raha mitaky karama tsy azo am-bolana maro? Tsy ny mpanabe ihany moa izany no niaina toe-javatra tahaka izao hatramin’izay nisian’ny fihibohana no nankaty fa saik’ireo mpiasam-panjakana rehetra mihitsy. Efa niaina izany tsy mandray karama 8 volana na aman-taonany izany ve ireo fatra-panome tsiny azy ireny na olon-tsotra io na mpitondra, na sanatria koa, mpikarama an’ady? Izay no antony hilazana hoe samy mila fanabeazana isika mianakavy. Fanabeazana hahatakatra ny fahorian’ny hafa fa eo koa ny fanabeazana mba tsy hihevitra lalandava ho tompon’ny fahamarinana sy ny mety hatrany.

J. Mirija

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap