tia tanindrazana

Parution du Mercredi, 20 Octobre 2021

airtel

Edito

Sangodim-panina manadala

Fanina tanteraka ny rehetra amin’ny toe-draharaha sy ny zava-misy eto Madagasikara.

16-mars-2021

Sample post image

 

Tsy hay intsony izay aloaky ny ampitso na ho an’ny lafiny politika na ny fahasalamana, ary manalokaloka izany eny foana ny lafiny toekarena sy ny sosialy. Sarotra ny haminavina izay hiseho satria hafa mihitsy ny fihodin’ny toe-javatra sy ny toe-draharaha eto Madagasikara satria tena sangodim-panina hatrany. Ny lojika ara-politika anio mety hitsimbadika any amin’ny tsy eritreretina rahampitso,… Ny lafin-javatra hafa toy ny valanaretina mbola mahavalalanina. Ny mpitondra Fanjakana mampandry adrisa fa voafehy, dia iny ihany koa ny ankamaroan’ny olon-tsotra, fa mbola maro no tsy mivaky loha sy tsy miasa saina amin’izay fiarovana. Ianao vahoaka madinika anefa bosibosehan-dry zalahy amin’ny resaka fitiavan-tanindrazana sy hambompom-pirenena amin’ny resaka fitsaboana ny valanaretina. Tonga hatramin’ny faminaniana sandoka aza teto, fa hoe hiainga eto Madagasikara ny fitsaboana izao tontolo izao. Sanatria manamaivana ny voka-pikarohana ambara fa antsika Malagasy, saingy na ry zalahy nilalao saim-bahoaka taminy aza lasa manao izany ho valalanamboa, ka ny tompony aza tsy tia. Rehefa raikitra tokoa ny tokoa, dia iny izy no lasa mipitsika amin’ny fiaramanidina manokana hitsabo tena any amin’ny firenena mandroso, fa tsy mahatoky akory ny zavatra handreseny lahatra an-dRamalagasy. Lasa tari-bato vilam-bava ka hafa ny ataon’ny tànana ary hafa ny tondroin’ny molotra, hoy ny fomba fiteny. Lasa ianao indray no tratry ny sangodim-panina hoe: fa inona ity? Aleo mba miezaka manokatra ny maso sy miezaka manakatra lavitra mba hampitombo ny kitapon-tsaina ihany raha tsy te ho tratry ny sangodim-panina manadalan-dry zalahy e!

Toky R

Dans la même rubrique

Card image cap
Tontolo samihafa
20-oct-2021

Asa na ny tontolo misy sy ny rivotra fohana no samihafa, ka dia samihafa manaraka izany ihany koa ny zavatra hitan’ny tsirairay avy eto amin’ity firenena misy antsika ity ?

Card image cap
Minia mikipy sy tery saina !
18-oct-2021

Tsy voatery ho mpanohitra avokoa izay mitsikera sy mahita ny zavatra tsy mety, ka mahasahy mamaky bantsilana ny tsy mety. Porofo iray mivaingana ny io ataon’ny Filohan’Antoko iray akaiky kokoa ny fitondrana,

Voir plus