airtel

Edito

09-mai-2025

Sangodim-panina

Ny adin’ny Malagasy mbola mangotra manoloana ny fahantrana,

Sample post image

fa ny mpitondra ihany koa atsy ambadika toa mifanaritaka miaro sy sezany sy ny fahefany.

09-mai-2025

Toa manomboka tsy mifampatoky na ny mpiara-dia aza, hany ka mihasarotra ny fandehan-draharaha. Ireny nirefodrefotra ireny ampamoaka, dia misy ny natao sorona na notapahan-doha nongotana tamin’ny toerany. Toa maneho ny tsy fahafahaliany mivantana na ankolaka ny hafa izay olobe ao anaty Fanjakana ka ireny hita taratra amin’ny haino aman-jery ireny ny hoe tsy tokony ho nesorina i ranona, na tokony ho niara-niala daholo. Toa mandeha hatramin’ny fanomezan-tsiny ny mpanapa-kevitra ho nihaino ny mpanohitra tamin’ny fanapahan-kevitra. Izany ve tsy efa mifampihinana ankolaka ? Betsaka ny zavatra manjavozavo sy sangodim-panina, nangotraka ny ampamoaka mikasika kolikoly avo lenta,… Asa rahoviana no hivaly sy hisy tatitra ny momba ilay hoe : misokatra ny fanadihadiana ? Ankoatra izay : Fanjakana milamina tsara tokoa aza moa tsy hita izay vokatra mainka fa amin’izao misy ambana sy fipoahana hafahafa izao ? Ny fiainan’ny Malagasy an-daniny mitotongana, ka io natsikafon’ny Firenena Mikambana io fa anisan’ny vahoaka fadiranovana ny eto amintsika amin’ny fivoaran’ny maha olona. Henjana izany faha-183 amin’ny 193 izany, milahatra amin-dry Yemen, Somalie, Niger, Centrafrique,… Asa hilaza indray hoe : mahay mitantana isika fa raha tsy nahay dia efa faha-193 ? Rahoviana vao ho tapitra ity fampahoriana ny Malagasy ity ? Mandra-pahoviana no hanaiky ny valalabemandr ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

ankehitriny no antenaina hitondra fiovana sy fanovana ary fandrosoana ho an’ity firenena ity.

Card image cap