airtel

Edito

24-juin-2022

Edito

Sao mba efa ozona sy kapoka ?

Kolikoly etsy, afera maloro ero, fanodinkodinana volam-panjakana, halatra solika, trafika sy halatra volamena, orinasam-panjakana banky ropitra,…

24-juin-2022

Ny mahafintina azy dia ny hoe: eo tsy milamina, ny eo mipongatra ihany, fa efa tena endrika iray ahafahantarana ny Fanjakana ankehitriny ireo. Ny fiainam-bahoaka sy ny toekarena efa tsy voajery, ny afera maloto sy ny kolikoly mandrakotra ny firenena, ny tsindrihazolena mahazo madinika miha mahazo vahana, ny famarotantanin-drazana mivantana na ankolaka miha mahazo vahana hatrany, ny seha-pihariana samihafa gejain’ny matretre,… Banky ropitra noho ny fitantanana tsy manjary sy ny halatra bevava ny Air Madagascar ary ny samy mpitantana no efa mifamoaka dosie saingy ampanginina noho ny tombotsoa politika, ataon’ny mpitantana sy ny mafia tantely afa-drakotra ny orinasa Jirama fa dia mangingina ho azy eny, loharan’ny mahitahita sy ny tompom-pahefana ny volan’ny CNaPS saingy mangina ho azy eny ny raharaha,… Tezaina amin’ny fampisehoana bôjy hakana artista maro sy hizarana 10 000 na 20 000Ar na mety 5000 Ar aza ny vahoaka sasany dia mifitsaka sy mandrotsa-bato ho an’ilay mpitondra efa hita fa tsy nanjary ihany avy eo. Raha tarafina amin’ny hetsika ara-pinoana mirefodrefotra toa nanaovana faminaniana vinany hafa fa efa voahosotra sy ho ela fanapahana an’i Madagasikara, tsy tokony ho izao mihitsy ny endri-pitantanana an’ity Gasikara ity. Tsy finiavana hitsara ivelany izany, ary an’ny tsirairay sy ny ao ambony manokana ny hoe: tena madio fo ve sa endrika ivelany fotsiny? Ny tsy azo lavina sy hita miharihary kosa aloha, dia ratsy tantana ny firenena, miha mahantra fadiranovana ny Malagasy, be afera sy feno mpangoron-karena amin’ny tsy ara-drariny ikoizana ao anaty fitondrana, tompondakan’ny ronono an-tavy kanefa votsa fiasa ny mpitondra,… Efa tena zava-doza rehefa tonga any amin’ny filalaovana sy sanatria fibaikoana ny finoana sy ny fanahy ho amin’ny tombotsoa politika. Efa nisy teto izany famoronana horonan-tsary nitarihana ny sain’ny olona hanaiky fa i Madagasikara, hono, no hanavotra izao tontolo izao, izao indray toa nisy hoe: efa voahosotry ny Avo ho ela fanapahana amin’ny fitondrana ity firenena ity,… Sao mba isan’ny miteraka ozona sy efa kapoka ho antsika ireny fa toa efa tafahoatra loatra ilay fahasahiana e?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap