airtel

Edito

22-juil-2021

Edito

Sarisary

Sample post image

Efa izay tokoa angamba no lova tamin’ireo lazaina fa “mpanjana-tany”! Sarisary! Sarisarina fahaleovantena, sarisarina fifanarahana koa no mbola hita hatreto mikasika ireo nosy manodidina,

22-juil-2021

 sarisarim-pandrosoana koa angamba satria inoana fa tsy hisy Malagasy sahy hilaza marina hatreto fa misy fiantraikany miabo tany anaty vilaniny ny heverin’ny fitondrana ankehitriny fa fandrosoana nentiny rehetra. Efa hatrany am-piandohana, fony fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena ankehitriny ilay lazainy fa “velirano” tany anaty fampihelezan-keviny sy nandritry ny fianianana tsy nasiany baiboly na zava-manan-kasina hafa ianianany nialohan’ny nandraisany fitondrana no efa nitenenana teto fa hafahafa izany toe-javatra izany. Inona tokoa moa izany no heverin’ny filoham-pirenena ankehitriny ho mamatotra azy na tsy hiraharaha ireny lazainy fa fianianana nataony sy lazainy fa veliranony ireny aza izy? Mety hilaza ny mpiaradia amin’ny fitondrana hoe nianiana tamin’ireo vahoaka izy saingy inona izany ilay zava-mahatahotra nianianany nanoloana ny vahoakany raha toa tsy ho tanterany ireo fampanantenany? Tsy hanazava lavabe mikasika izay sy ny tsy nisiana baiboly teo Mahamasina tamin’izany isika fa ny entina hanazavana azy angamba, satria izay izao no matetika teny miverimberina eny ambavan’ireo mpanohana ny fitondrana, dia ny atao hoe “Velirano”. Tena nanao velirano tokoa ve andriamatoa filoha, raha ny tena petrakevitra niandohana na hoe “concept” momba izany atao hoe velirano izany, na ara-tantara io na lovan-tsofina no iverenana? Veliranom-bazimba, hoy ny fitenenana, izay mivadika aloha kely ila. Ny dikan’izay dia misy famaizana voajanahary nantsoin’ireo razambentsika ireo tamin’izany ho an’izay mivadi-belirano fa tsy vitavita fotsiny amin’ny hoe manao velirano aminareo aho nefa tsy hihatra amin’ny ain’ilay tsy mahatantera-belirano iny akory ny velirano nataony. Misy dikany ny rano novelesina teny an-doharano tamin’izany satria tandindon’ny aina ny rano ary tena sahy nilaza mihitsy ireo razambe fa ho “kely ila” izy, ohatra, raha tsy mahatanteraka ny veliranony na koa hoe hanody amin’ny taranany ny tsy fahatanterahany ny veliranony. Mipetraka ankehitriny ny fanontaniana hoe tena nanao fianianana sy velirano ve ny mpitondra antsika sa saritsariny avokoa na hatramin’ny zava-manan-kasina toy ireny aza sanatria ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap