manahirana ny Firenena. Eo anelanelan’ny fanantenana sy ny ahiahy manoloana ny zava-misy. Betsaka ny finiavana sy fanamby mahavelom-bolo, fa maro ihany koa ny fanontaniana mipetraka hoe : ho tafavoaka ny baolina sa sanatrian’ny vava ho ny omaly tsy miova ? Na tiana na tsy tiana, miankina amintsika ny hahafahantsika mivoaka avy amin’ny krizy na sanatria handeti-tena eto. Betsaka ny ambana, maro ny sakana, tsy takona hafenina ny rafitra matanjaka na anatiny na ivelany tsy ho faly mihitsy amin’ny handrosoantsika, hahatongavantsika saina fa afaka mandroso sy mahavita zavatra isika, hahatsapantsika fa manana ny herijika hahafantsika mandroso isika,… Tena misy ny maniry ny Malagasy ho bado, tsy hanam-pahalalana, hamotika ny fanabeazana,… hany ka isika samy isika ihany aza no atao mifamotika ao anatin’io, ny Malagasy toa antsika ihany no atao fitaovana hamelezana antsika. Mandra-pahoviana isika no hanaiky an’ilay hoe : «io aloha no misy » dia hiaretana sy hiafiana eo ? Samy namboarin’ilay nahary hanana rantsan-tanana folo avy, samy nomeny saina afaka mandinika sy mandalina izao, fa tsy hoe ny vazaha nataony rantsan-tanana roapolo ka nahoana isika no hanaiky resy sy mandohalika lava ? Tsy natao hankahalana vahiny ary tsy tokony ho ireo no hankahalaintsika fa mila mandinin-tena hoe : nahoana isika no ampandohalihany ? Nahoana ny sehatra stratejika sy ny toekarena eto no eo am-pelantanany ? Anjarantsika no mitady izay lalan-kivoahana sy manatsoaka lesona amin’ny paikady nataony satria samy nomena saina sy atidoha izao ihany !
Toky R