airtel

Edito

19-déc-2022

Edito

Soa fa valalabemandry !

Sample post image

Valalabemandry ialahy, rahoviana ihany vao valalabe mifoha?”, hoy ny fanontanian’i Sareraka tamin’ny vahoaka malagasy hatramin’ny taona 1979 tao anaty tononkirany ary naveriny napetraka indray niaraka tamin-dry Diosezy

19-déc-2022

izany taty amin’ny faraparan’ny taona 1990 taty. Hatramin’izao dia tena mbola mila hapetraka hatrany izany fanontaniana izany. Taona 2022 isika. Kely sisa dia 44 taona lasa. Misaotra anao aho fa nomenao vahoaka dondrona koa moa, hoy hatrany izy, tao amin’ilay tononkirany iray hafa mitondra ny lohateny hoe “Dera sy lasa”. Tsy sanatria faly hitanisa ny tononkiran’ity mpanakanto ity fa ny tiana ahatongavana dia ny hilaza hoe tsy nisy fivoarana ho any amin’ny fandrosoana tena izy mihitsy izany rehefa dinihina lalina ny fiainantsika ankapobeny teto amin’ity firenena ity tao anatin’izay taona maro nifandimby izay. Ahiako mbola hiverina toy ny tamin’ny taona lasa ny zavatra raketiny koa, hoy ny tarika Mahaleo. Mbola valalabemandry foana ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Anarany fotsiny mitsikafona eny amin’ny haino aman-jery samihafa, indrindra, ireo tambazotran-tserasera ny toe-draharaha tsy mandeha amin’izay laoniny intsony eto fa dia inoana fa miteny any an’eritreriny any daholo izao izay manam-pahefana manao izany rehetra izany hoe soa fa mbola valalabemandry foana ilay vahoaka malagasy! Tsy hita intsony izay hamaritana ny ataon’ireo mpanao lalana sy mpanatanteraka azy. Fanabarabarana ve sa fanambaniana fa dia samy mihaino sy mifanome eson-teny eny foana aloha fa asa na mba mitsakotsako lalina an’izay miseho! Mitsefotra ny fitsipaham-pitokisana nosoniavina solombavambahoaka miisa 105, mivoaka ny fampahafantarana tambin-karama fotsiny ho an’olona iray hatramin’ny 175 tapitrisa Ariary, tsy menatra akory ny tomponandraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika manda ny zavatra nampanantenainy. Ny setrin’izany avy eo hoe mitonia dia tsy misy taitra fa efa tony hatry ny ela koa moa. Mivoaka ny filaharana mametraka ny firenena ho isan’ny 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany amin’ny harinkarena 412 Dolara eo isan-taona, isaky ny mponina raha toa 400 Dolara ny an’ny tena mahantra indrindra dia I Burundi. Setriny anefa dia mbola fireharehana ihany fa hoe nomen’olona marika maha tompondaka amin’ny ady amin’ny fanjarian-tsakafo. Ny kere eto amin’ny firenena anefa nitombo niitatra hatrany Ikongo. Ny mpanara-baovao gagagaga ihany hoe inona koa ary ity marika raisina isaky ny mivoaka ny firenena ity? Asa indray izay ho fanabarabarana manaraka fa dia izay izany no hoe soa fa valalabemandry tokoa !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap