airtel

Edito

13-juil-2021

Edito

Tafidi-kizo

Sample post image

Mbola mafana sy miha mangotrangotraka ny adihevitra politika, indrindra fa ny resaka fanovana ny mpikamban’ny governemanta.

13-juil-2021

 


Sarotsarotra ny fandidiana, ka handroso maty raibe, hihemotra maty renibe ny Filoha. Na inona na inona fanapahan-kevitra eo, dia misy foana ny tsy ho faly satria ny ao anatiny toy ny depioten’ny fitondrana manangam-bovona fa maro no tokony hahilika: sady manambany olom-boafidy no tsy mamokatra no tsy nitolona, hany ka manimba endrika ny Fanjakana. Ireo ahilika ihany koa anefa tsy hoe mipetra-potsiny, fa mahalala zavatra maro, efa niorim-paka sy mba efa namboatra ny kajikajiny tao anaty fitondrana, ka mba mety manana ny valin’adiny fa tsy hanaiky holakoina fotsiny eo. Misy ihany ny mety ho mora ny manilika azy, fa amin’ny lafiny iray dia mety tonga amin’ilay hoe: nitaiza zana-baratra ihany ingahy Filoha. Mitoetra foana ilay hoe: mila olona tena mpitarika, ka ny olona no manantona fa tsy ilay Filoham-pirenena no handadilady hitalaho fanohanana etsy sy eroa, ary hararaotin’ny olona avy eo. Izany rehetra izany eo ihany, fa endrika iray maneho ny tsy fahamarinan-toerana hatrany am-piandohana io. Naman’ny tafidi-kizo ihany, mety mora ny naka fahefana, mora ny nampanaiky ny rehetra fa io ny voka-pifidianana tsy maintsy ekena, saingy iaraha-mahita ny vokany ara-pitantana, ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-piarahamonina,… In-droa mahita ny maizina tahaka ny tain’omby natsentsina an-davabary hatrany ny Malagasy. Tsy resaka tsangan’olona no tiana hambara raha hiteny hoe: samy nitondra 7 taona ihany, samy nandray fahefana taorian’ny krizy ihany ny 2002 sy ny 2009, ary ny 2018 dia firenena nilamina no noraisina. Nahoana ny iray nahita harin-karena faobe 7,1% ambony indrindra aty Afrika ? Nahoana ny ankilany -4% izay mety mbola tsy niainantsika tao anatin’ny 60 taona. Samy tafidi-kizo na ny Filoha ankehitriny izay toa tsy marin-toerana ara-politika na ny vahoaka Malagasy bodan’ny fahantrana sy ny tsy fahalalana. Ny mpitondra kosa miha matevina ny ambaindain’ny hareny, fa Ramalagasy miha mitolefika, ka sao ho diso hevitra eo. Mila mahay maka lesona raha te ho tafiala anaty kizo, ary tsy voatery ho manana diplaoma be isika vao afaka hanakatra sy handalina fa kosa mila manana finiavana mba ho tena olom-pirenena.
Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap