airtel

Edito

21-avril-2022

Edito

Tanety ringana

Sample post image

Zaridaina lava misy ifanabeazana, hoy ny namana Vanf, omaly nanao ny famakafakany teo amin’ny zorom-pejy “Teny gasy” tato amin’ny gazetintsika momba ny nanjo ny “zaridainan’Ambohijatovo”.

21-avril-2022

Tanety lava misy isainana kosa, hoy ny oha-pitenenana Malagasy, niainga tamin’ny lovatantara momba ny tafa nataon’ny Ombalahibemaso na Andrianampoinimerina tamin’I Hagamainty, izay heverina ho naman’ny mpanolontsaina akaiky ny mpanjaka tamin’izany fotoana izany. Tsy ivelarana be iny fa raha tsiahivina fotsiny dia voalaza ho niara-nitsangatsangana teny an-tanety rehetra teny, hono, tamin’izany fotoana izany izy mirahalahy ireto ary satria moa mihinam-paraky ny mpanjaka dia nanontany azy ity isan’ny manam-pahaizana akaiky azy ity tamin’izany hoe ny rora paraky ve manamando ny tany, raha iny izy nandrora paraky iny? Tsia, hoy ny mpanjaka. Ary ny ra latsaka, hoy indray ny fanontaniana? Lasa saina, hono, ny mpanjaka ary dia niaiky fa mitondra fisainana ny tanety lava no sady nandray fanapahan-kevitra ny amin’ny tsy tokony handatsahan-dra fahatany. Mahalasa saina koa anefa ny mijery ny zava-misy ankehitriny saingy amin’izao moa na ny ala atsinanana aza efa ringana. Lasa ny saina saingy mampametram-panontaniana hoe tsy tody lavitra intsony ve noho ilay tanety ringana sy miha ringana? Mijery ny fampanantenan’ny filoham-pirenena sy izao fitondrana izao hatrany amin’ny propagandy noho mankaty dia gaga ianao, hoy ilay fitenenan-drizareo ihany, hoe tsy ny mifanohitra amin’ny voalaza ve no mitranga sy miha mitranga ary ahoana ary no tsy hahatsapan’ireo mpitantana fa izany tokoa izao no miseho? Firenena ho sangany aty Afrika no nilokalokana kanefa dia io fa firenena sangany na “pilote” amin’ny marefo indrindra maneran-tany izany izao no iny nambara tamin’ny fomba ofisialy sady tsy nahamenatra akory iny. Tsy handroso intsony koa ve izany sanatria na amin’ny 2030 na 2050 na 2100 sy ny manaraka rehetra mihitsy satria io vao maika mandadilady amin’ny mpamatsy vola mahazatra no sady mandray ilay fanampiana am-pitsikiana io? Mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona. Fa angaha moa tsy hoe ny hahatongavana eo amin’ny fitondrana fotsiny no nandrasana sisa fa ny vola hanatontosana ireo tetikasa efa tao? Mandeha indray moa izany ny fandresen-dahatra vaovao fa hirifatra be mihitsy ny TGV hampandrosoana an’ity Gasikara ity amin’izao volana vitsy tsy hiafaran’ny taom-piasana izao ka dia enga tokoa anie hisy fahagagana hahasambatra ny isam-baravarana!

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap