airtel

Edito

25-févr-2021

Edito

Tanjaka sa fahalemena ?

Sample post image

Mbola baraingo ny ho fivoaran’ny toe-draharaha ara-politika eto amin’ny tany sy ny firenena.

25-févr-2021

Efa adilahy politika io miseho io, ka raha tsy tonga eny an-databatra, dia mety ho fifampitsapan-kery amin’ny endriny samihafa. Efa nanaporofo izany ny zava-nisy ny sabotsy lasa teo, izay azo adika ho tanjaka sady fahalemena ihany koa ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Tanjaka ho an’ny mpitondra satria vosakany tamin’ny basy aman-tafondro aloha izany ny fidiran’ny mpanohitra teny an-kianja. Fahalemena sy fahafaham-bakaraka tanteraka ihany koa satria maneho fa Fanjakana mitsingilaila sy tsy mahatoky Valera intsony no misy eto, fa miantehitra amina herim-pamoretana sisa. Faharesena satria ho teboka sy sary ratsy eo anatrehan’izao tontolo izao, fa hay ilay Fanjakana sy Fitondrana milaza azy ho lany demokrasia ka Fanjakana kanosa, mpanao didy jadona, tsy mahazaka demokrasia,… Tsy mahatoky intsony ny fanohanan’ny vahoaka sy faharesen-dahatry ny valalabemandry, fa mahatsapa ho efa tsy marin-toerana. Fandresena ho an’ny fanoherana satria nihorohoro sy natahotra mafy azy ireo ny Fanjakana. Mety ho fahalemena sy faharesena ihany satria tsy tanteraka ny zavatra tena nokasaina. Na inona na inona ambara eto, dia ny ho avy no hitsara. Ny mahery tsy maody tsy ela velona, araka ny fomba fiteny sy soatoavina nolovaina tamin’ny Ntaolo. Maro ireo fomba fiteny mampisaintsaina sy zary karazana sekoly nentina nitaiza sy nanabe ny fiarahamonina Malagasy fahiny. Manan-kery sy mitoetra mandrakariva ireny raha tsy hilaza afatsy ny hoe : « kodiaran-tsarety ny fiainana ka ny ambony mety ho lasa ambany, ary ny ambany mety ho lasa ambony ». Izay no tsy hanaovan-dratsy amin’ny tany ama-monina, amin’ny firenena satria “mihomehy lavo aza misy tsininy”. Na inona na inona ratsy na tsy mety atao eto, dia mety hivaly, ka sao efa fandavahana ny lavaka hilevenana ity minia mikipy sy mbola avo vava amin’ny efa tsy mety atao ity? Ny ampitso no hitsara.

Toky R 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap